airtel

Actualités

03-mars-2025

AMPANIHY ANDREFANA

Potika hatrany amin’ny 60% ny tanana

Sample post image

Potika hatrany amin’ny 60% ny tanan’Ampanihy ao anatin’ny distrikan’Ampanihy Andrefana

03-mars-2025

raha araka ny vaovao azo. Nitondra takaitra avokoa ireo kaominina miisa 7 mandrafitra ity distrika iray ity. Tapaka ny lalam-pirenena mampifandray azy amin’ny distrika hafa. Simba ny CSB II, potika ny trano fonenan’ny Lehiben’ny distrika raha toraka izany ihany koa ny biraon’ny serasera sy ny kolontsaina misy ny Televiziona Malagasy sy ny Radio nasionaly Malagasy. Miakatrabe ny rano ao Itampolo sy Androka. Trano maro no dibo-drano raha marobe ihany koa ireo traboina izay tsy mbola nahazoana isa matotra. Ho an’ny distrikan’i Morondava moa dia fantatra fa ilay Centre operationnel natao handraisana ny traboina indray amin’izao no dibo-drano ka tsy hitan’ireo tompon’andraikitra intsony izay hatao. Tafakatra 6510 ireo traboina miparitaka amina ivon-toerana miisa 10. Avy amina tokantrano miisa 1275 izy ireo raha araka ny fanazavan’ny Lehiben’ny distrika any an-toerana. Efa mandray traboina ihany koa ny sekoly sy ny hotely ka ho an’ity farany manokana dia nisy ny Renim-pianakaviana vao teraka 3 andro monja noraisin’izy ireo rehefa dibo-drano ny tranony. Ho an’ny distrikan’i Belo Tsiribihiana dia miisa 1287 ireo traboina amin’izao raha 1284 ny ao Manja. Mahatratra 29472 kosa ny ao amin’ny kaominina ambanivohitra Bemanonga…
Pati
Legende : Namela takaitra ratsy ho an’ny distrikan’Ampanihy ny rivo-doza Honde !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap