airtel

Actualités

19-nov-2024

Ampasikely Dzamandzar Nosy Be

Tanina mpandraharaha vahiny nisy naka am-pitaka…

Sample post image

Teratany Frantsay antsoina hoe Gilles DAHERON, 50 taona, mpandraharaha tompona trano fandraisam-bahiny ao Ampasikely Dzamandzar Nosy Be

19-nov-2024

amin’izao fotoana izao no mitaraina, fa nisy teratany vahiny hafa naka am-pitaka ny taniny. Ny taona 2004 no tonga tao Nosy Be I Gilles DAHERON rehefa nivarotra ny tranony tany Frantsa ka nanapa-kevitra hifindra tanteraka eto Madagasikara sy handraharaha eto. Tao Ampasikely Dzamandzar Nosy Be no nosafidiany sy nanofany tanim-panjakana izay nananganany toeram-pandraisam-bahiny ahitana toeram-pisakafoana iray, bunglows 6 ary dobo filomanosana iray. Nitentina 1 miliara sy 200 tapitrisa ariary ny totalin’ny vola nantontony tamin’io tetikasany io. Teo no nanombohany nanajary ny toerana sy nikarakarany ihany koa ny taratasy rehetra ara-panjakana amin’ny fanorenana sy fananganana io fandraharahany io. Efa nahazoany taratasy fahazoan-dalana na « permis d’exploitation » avy amin’ny Ministeran’ny fizahantany ity toerana ity, nanefa hatrany ny vola rehetra fikarakarana ny taratasin’ny tany izy nandritra ny fotoana maro ary izy no nanome ny anaran’ny titre ho « résidence d’Ampasikely» sy nanaovany ny «plan» an’ilay toerana, hoy ny fanazavana. Voalaza anefa fa noho ny tsy fahasalamany izay nilana fandidiana ny fony tany ivelany, dia nivarotra ny ampahany tamin’ny teratany vahiny mpiara-miombon’antoka aminy ihany izy. Io indray avy eo no namindra izany tamin’ny teratany vahiny mivady hafa ny tany rehetra. Nivadika ho lasa tamin’ny anaran’ireo avokoa ny tany noho ny antony nolazaina fa «tsy liana» na « désintéressé » ilay tompony tany am-boalohany dia i Gilles DAHERON. Nisy namoaka « bail emphytéotique » 20 taona ny sampan-draharahan’ny fananan-tany saingy tsy nisy fampahafantarana azy izany, fa io nolazaina fa « désintéressé » io izy. Tao anatin’ny fotoanan’ny covid no nahavita namoaka taratasy tamin’ny anarany ny ankilany. Rehefa niverina nisokatra ny sisin-tany ka niverina teto ilay vazaha tompony, dia nahita ny zava-nisy rehetra ka nitory sy nitaky ny fananany. Tsy nahazo rariny teo anivon’ny Fitsarana anefa izy fa didy famonjana herintaona indray no azony ary nolazaina fa izy no mpisoloky. Manahy kolikoly avo lenta amin’ireo mpiasam-panjakana ambony ao Nosy Be ny tenany ary manamafy fa nohararaotin’izy ireo mihitsy ny vanim-potoanan’ny COVID 19 nentina nampitsimbadihana ny marina. Misy mihitsy aza mpiasam-panjakana ao Nosy Be mitaky vola hatrany amin’ny 28 000 Euros aminy ahafahana mandravona ity fifanolanana ity ary ireo teratany vahiny nahazo am-pitaka ny tany kosa milaza ho mahafantatra mpikambana amin’ny Governemanta, raha ny fijoroana vavolombelona nataon’i Gilles DAHERON. Very hevitra tanteraka io teratany vahiny io ankehitriny, ka manao antso avo amin’ireo tompon’andraikitra mahefa mba hijery akaiky io raharaha io. Eo am-pelantanan’ny Fitsarana ambony ankehitriny ity dosie ity ka handrasana ny tohin’ny raharaha. Misy ihany koa ny taratasy fitarainana mipetraka eo anivon’ny Sampana misahana ny Fanjakana tsara tantana sy ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny Minisiteran’ny fanajariana ny tany. Andrasana ny tohiny !
Toky R


 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap