airtel

Actualités

20-févr-2025

Ampataka, Morondava

Vehivavy miisa 2 nahatrarana makamba 44 kg

Sample post image

Vehivavy miisa 2 no nahatrarana «crevettes» na makamba 44 kg tao Ampataka havily any Morondava,

20-févr-2025

hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Voarara moa ny fihazàna izany nanomboka ny volana desambra lasa teo ka ny voalohan’ny volana martsa vao misokatra ny fihazàna azy. Natolotra ny talem-paritry ny jono sy ny toekarena manga ireo makamba ary hanaovana fanadihadiana ao amin'ny zandary izy roa vavy nahatrarana izany, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly hatrany. Isan’ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao hatrany moa manoloanana tranga toy itony ny hoe hatraiza ny fari-pahatakàran’ny olompirenena tsy an-kanavaka ny atao hoe lalàna sy fanarahan-dalàna? Toa ireo mpanjono madinika hatrany no maivoka fa oviana no mba hisy ireo antsoina ihany koa hoe trondro vaventy aseho fa sarona amina raharaha tahaka itony? Heverina fa zava-dehibe hatrany ny fampiharana ny atao hoe lalàna saingy tena natao ho an’ny rehetra tokoa ve sa ho an’ireo sahirana ara-pivelomana ihany? Santionam-panontaniana manitikitika ireo mpanara-baovao izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap