hoy ny fampitam-baovao voaray omaly. Voarara moa ny fihazàna izany nanomboka ny volana desambra lasa teo ka ny voalohan’ny volana martsa vao misokatra ny fihazàna azy. Natolotra ny talem-paritry ny jono sy ny toekarena manga ireo makamba ary hanaovana fanadihadiana ao amin'ny zandary izy roa vavy nahatrarana izany, raha ny fampitàm-baovao voaray omaly hatrany. Isan’ny fanontaniana manitikitika ny mpanara-baovao hatrany moa manoloanana tranga toy itony ny hoe hatraiza ny fari-pahatakàran’ny olompirenena tsy an-kanavaka ny atao hoe lalàna sy fanarahan-dalàna? Toa ireo mpanjono madinika hatrany no maivoka fa oviana no mba hisy ireo antsoina ihany koa hoe trondro vaventy aseho fa sarona amina raharaha tahaka itony? Heverina fa zava-dehibe hatrany ny fampiharana ny atao hoe lalàna saingy tena natao ho an’ny rehetra tokoa ve sa ho an’ireo sahirana ara-pivelomana ihany? Santionam-panontaniana manitikitika ireo mpanara-baovao izany.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.