Maro tamin’ireo mpiasa no namita ny asany tao anatiny ihany saingy ny varavarana lehibe fidirana mihitsy no nikatona tsy afaka nandray olona izy ireo. Raha ny loharano-baovao azo dia fanapahan-kevitra noraisin’ny mpikambana ao amin’ny sendikan’ny mpiasan’ny CNaPS manoloana ny raharaha izay nahavoasaringotra ny filohany no antony fikatonana ny birao ny tontolo andron’ny alatsiniany io. Tsy mbola voafaritra mazava anefa ny fotoana handraisan’ireo mpiasan’ny CNaPS ny asany taoriana ny fikatonanan’ny birao. Maro ireo olona izay manan-draharaha teny amin’ny CNaPS no niverin-dalana noho ny fikatonan’ny toeram-piasana. Raha tsiahivina dia voatazona eny amin’ny polisim-pirenena atao famotorana arahina fanadihadina ny filohan’ny sendika ny mpiasan’ny CNaPS izay mikasika ny fivoahana antontan- taratasy nahavoatonina ny tale jerenalin’ny CNaPS.
Tolin
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,