airtel

Actualités

08-sept-2025

Anadihin-dreny tsivalahara

Naolany ny zanak’anabaviny vao 10 sy 11 taona

Sample post image

Nitrangana toe-javatra mampalahelo tany Tompombohitra,

08-sept-2025

kaominina ambanivohitr'i Miandrarivo, distrikan'i Faratsiho. Zazavavy kely miisa 2, 10 sy 11 taona no indray naolan'ny anadahin-dReniny. Ny 02 Septambra lasa teo tamin'ny 07 ora hariva no nahare fitorohana tamin'olona tsara sitrapo ny Zandarimaria ao Miandrarivo mikasika ity raharaha ity. Efa 23 taona ilay tovolahy nahavanon-doza no sady efa nisara-bady ihany koa. Raha araka ny fantatra dia efa matetika no hanamparany ny filan-dratsiny ireto zazavavy kely roa ireto ary hampitahoriny tsy hilazalaza na amin'iza na iza. Tsikaritry ny Ray aman-dReniny ho hafahafa famindra anefa izy mirahavavy ary efa nitambokona narary vao fantatra fa nisy nanolana. Efa voasambotra ilay nahavanon-doza ary efa notanana natao famotorana. Ireo zaza kosa nentina namonjy toeram-pitsaboana hikarakarana ny toe-batany sy ny fahasalamany. Anatra ho antsika Ray aman-dReny manan-janaka vavikely hatrany ny tranga toy izy. Aleo misoroka toy izay mitsabo.
Pati
Légende : Ity ilay tsy mataho-tody !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap