airtel

Actualités

29-avril-2024

Andrianjato Vonison

"Tsy maintsy takiana ny fampiakarana CIAD"

Sample post image

Mbola mafy ny asa atao, ny zava-miandry, hoy ny kandida ho depiote ao amin'ny boriboritany faha 4,

29-avril-2024

Andrianjato Vonison, raha nidina ifotony teny Ampefiloha Ambodirano hatrany Ilanivato omaly. Fiainam-bahoaka, hoy izy, iny nandalovantsika iny. Manaporofo, araka ny tatitry ny banky iraisampirenena ireny, fa misy malagasy 82% mahantra fadiranovana. Rehefa tonga ao amin'ny antenimieram-pirenena no dikan'izany dia tsy maintsy manao demokrasian'ny maro an'isa. Mampihatra ny atao hoe famahoahana ho an'ny maro an'isa eto Madagasikara. Resaka fotsiny ny rehetra raha tsy vita ny mamadika izao zava-misy izao ho tetikasa hamoahana an'i Madagasikara anaty fahantrana. Lohalaharana ny maro an'isa amin'ny alalan'ny 82% fa lohalaharana koa ny fampandrosoana ny vahoaka mahantra eto Antananarivo renivohitra. Antananarivo renivohitra no miantoka ny 95%n'ny fanjifana eto Madagasikara. Sady misy tambanivohitra eto no misy tambonivohitra fa misy tsindry hazolena tena mankadiry eto amin'ny fiainan'ny firenena. Sarobidy ny rano atsy ho atsy ary isan'ny harena faran'izay harena ao amin'ny firenena manana azy. Any La Scène na Pays bas misy rano maloto toy izao dia ahodiny, izany hoe diovina na atao "recyclage des eaux usées" mba hivadika ho rano fisotro. Fantantsika fa delestazy izao na ny rano na ny jiro. Noresahin'ny olona teo amin'ny fanasan-damba na "bassin" teo moa ny rano. Tovozina ary amin'ny paompy ny rano hanasana lamba dia manome raharaha ny vahoaka malagasy. Miditra amin'ny tekinolojia maoderina isika dia vola ihany no hozatry ny fiainana. Raha tsy mahay miady izany ny solombavambahoaka hampiakarana an'io volan'ny CIAD io dia zava-poana izao zavatra atao izao ary tsy maintsy takiana ny fampiakarana CIAD. Efa niady an'izany Andrianjato ny taona 1998 nilaza hoe 302 tapitrisa fihatsaram-belatsihy amin'ny atao hoe "démocratie de la majorité" na demokrasian'ny maro an'isa na koa hoe "décentralisation budgétaire" na fitsinjaram-bola. Fihatsaram-belatsihy izany. Rehefa tsy mahay miady an'izany anaty antenimieram-pirenena dia heveriko fa resy aho. CLD ny CIAD tamin'ny andronay. 1400 miliara Ariary izao ny famatsiana ny JIRAMA. Omena ireo kaompanian-tsolika izany ka tsy mangataka isika malagasy raha manao izany. Io famatsiana ny JIRAMA io nefa tsy maharaka afa-tsy ny 15%n'ny vahoaka malagasy. Rariny, noho izany, raha 85% no mangataka hoe ivereno jerena io, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap