airtel

Actualités

16-mai-2025

Andro afrikanina momba ny fomban-drazana

Nisantatra ny fankalazàna ny teto Madagasikara

Sample post image

Nankalazaina omaly ny Andro afrikanina momba ny fomban-drazana na

16-mai-2025

Journée africain de coutume et de tradition». Nanamarika izany teny Ifandro, distrikan’Atsimondrano, ny fikambanana Antehiroka sy fikambanana samihafa ary malagasy maro samihafa eto Madagasikara izay mandala ny fomban-drazana malagasy. Miezaka izahay, hoy ny filohan’ny fikambanana Manda aron’ny maha gasy, Josephin Andriandrainarivo, manentana ny malagasy hanararaotra ny andro mampiray manerana an’i Afrika, izao tontolo izao, indrindra, isika malagasy. Samy manana ny fomba amam-panaony, ny fomban-drazany, ny kolontsaina iombonana ity Madagasikara misy soatoavina hoe Fihavanana ity. Ahoana ny hahamafy orina izay fihavanana izay? Amin’ny alalan’ireto fomba amam-panao sy fomban-drazana ireto no maha tokana antsika malagasy hatrany atsimo ka hatrany avaratra, hatrany atsinanana ka hatrany andrefana, indrindra, eto afovoan-tany. Manentana ny fitondràm-panjakàna, isaorana aloha ho an’ny andro afrikanina momba ny fitsaboana nenti-paharazana ny 31 aogositra fa efa an-taonany maro izao no nankalazantsika izany. Izahay koa izany dia mangetaheta ny hitarihan’ny fanjakàna hanaovana azy ho andro eto amin’ny firenena ny hankalazàna io andro afrikanina momba ny fomban-drazana sy ny fomba amam-panao na ny fomban-tany io. Eo ihany koa ny 24 janoary, izay andro maneran-tany ho an’ny kolontsaina afrikanina. Fisantarana azy ny eto Ifandro fa mirary izahay ny hitohizan’izany manerana an’i Madagasikara. Ny azo antoka aloha dia hanao tahaka izao koa ny any Fenoarivo Atsinanana, hoy hatrany ireto nisantatra ity fankalazàna ity teto Madagasikara ireto.
Nangonin’i J. Mirija
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap