airtel

Actualités

05-mai-2023

Actualités

Andro iraisam-pirenena ho an’ny mpamonjy voina

Sample post image

Nihena ny hain-trano, nitombo ny afo an-kalamanjana

05-mai-2023

Ho fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny mpamonjy voina na «Sapeur pompier» dia varavarana misokatra no nofidian’ny teto Antananarivo, izany hoe ny etsy Tsaralalana sy Analamahitsy, nanamarihana izany ho an’ireo tanora mpianatra eto Antananarivo hahalalana ny asan’ny mpamonjy voina. Eo koa ny hahalalantsika eto Antananarivo misoroka voina raha sanatria mitranga izany hampahomby ny asa famonjena haingana indrindra sy hamerana ho farany kely indrindra ny fahavoazana miantraika amin’ny fiarahamonintsika eto, hoy ny Kolonely Razafimanahaka Tiana, lehiben’ny sampan-draharaha mpamonjy voina. 150 isa ny mpamonjy voina teto Antananarivo ny taona 2020, hoy izy. 384 izany ankehitriny. Afaka nampitombo avo 2 heny ny isan’ny mpamonjy voina izany isika tao anatin’ny 2 taona. Tsy ambanin’izany ny fitaovana. Teo ny fiarabe izay hitantsika ireny fa ny pitsopitsony madinidinika anatin’ireo fiara efa teo koa dia nasiana fanavaozana daholo. 17 no isan’ny maty an-drano ny taona 2022 ny volana janoary. Ankehitriny isika volana may. 19 no maty an-drano. Izany hoe nisy fihenana. 1 isan’andro eo ny salan’isan’ny firehetana eto Antananarivo. Sarihina isika noho izany mba hiray hina anaty fisorohana ny loza satria ny loza tsy mitranga no fandresena. Ny olona no fototry ny firehetana na «incendie». Na io fanadinoana na tsy fahalalana. Sanatriavina fandrehetana afo mihitsy izay lasa tsy voafehy. Raha tany an-tokantrano no be indrindra ny firehetana ny taona 2022 dia tsapa fa efa nihena izany. Ny afo ankalamanjana na doro tanety no lasa nitombo. Ny salan’isa no tsy niova fa ny toerana nitrangan’ny afo no somary niova kely. Ny tananantsika dia tsy mitsaha-mitombo. Ny olona eto Antananarivo tsy mitsaha-mitombo. Raha tsy mandray fepetra miaraka isika rehetra dia mety hiakatra io taha 1 isan’andro io. Ny mpamonjy voina indray no mety tsy haharaka amin’izay fotoana izay, hoy hatrany ny antsoavo.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap