airtel

Actualités

12-déc-2024

ANDRO RATSY CHIDO

Ahiana hivadika ho rivo-doza mahery vaika anio

Sample post image

Ahiana hivadika ho rivo-doza mahery vaika ilay andro ratsy Chido. Tany amin’ny 940 Km atsinanana

12-déc-2024

somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foiben’i Chido omaly Alarobia 11 Desambra tokony ho tamin’ny 03 ora folakandro. Niakatra ho 155 Km isan’ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 220 Km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 15Km isan’ora. Tombanana hitombo hery hatrany i Chido ka mety ho lasa rivo-doza mahery vaika anio Alakamisy 12 Desambra. Manambana mivantana ny tapany avaratry ny Nosy ity rivo-doza ity rahampitso Zoma 13 Desambra amin’ny tanjaka Cyclone Tropical. Tafiditra ao anatin’ny loko mavo ny faritra Diana sy ny Distrikan’i Vohemar noho izany. Fanairana miloko maintso kosa ny any amin’ny Distrikan’i Bealanana, Befandriana Avaratra, Antsohihy, Boriziny, Analalava, Sambava, Antalaha ary Andapa. Ahiana hiakatrabe ihany koa ny rano any amin’ny faritra DIANA.
Pati
Legende : Miala any ny rivo-doza na dia manakaiky aza ny fety !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap