somary avaratra atsinanan’i Antsiranana I no nisy ny foiben’i Chido omaly Alarobia 11 Desambra tokony ho tamin’ny 03 ora folakandro. Niakatra ho 155 Km isan’ora ny rivotra miaraka aminy izay arahina tafiotra 220 Km isan’ora manakaiky ny foibeny. Nikisaka niakandrefana izy ka nahafaka 15Km isan’ora. Tombanana hitombo hery hatrany i Chido ka mety ho lasa rivo-doza mahery vaika anio Alakamisy 12 Desambra. Manambana mivantana ny tapany avaratry ny Nosy ity rivo-doza ity rahampitso Zoma 13 Desambra amin’ny tanjaka Cyclone Tropical. Tafiditra ao anatin’ny loko mavo ny faritra Diana sy ny Distrikan’i Vohemar noho izany. Fanairana miloko maintso kosa ny any amin’ny Distrikan’i Bealanana, Befandriana Avaratra, Antsohihy, Boriziny, Analalava, Sambava, Antalaha ary Andapa. Ahiana hiakatrabe ihany koa ny rano any amin’ny faritra DIANA.
Pati
Legende : Miala any ny rivo-doza na dia manakaiky aza ny fety !
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"