airtel

Actualités

05-mars-2021

Actualités

Andro ratsy Tombanana hiditra an-tanety ao Melaky anio

Sample post image

Misy andro ratsy miforona ao amin’ny lakandranon’i Mozambika. Any amin’ny 300 Km Andrefan’i Besalampy

05-mars-2021

 

 

 no nisy ny ivony omaly tamin’ny 03 ora tolakandro teo, araka ny fanazavan’ny Sampan-draharaha mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Mikisaka miatsinanana ny diany ka mahafaka 18 Km/ora. Mbola malefaka ny rivotra miaraka aminy izay tombanana ho 45 Km/ora. Raha ny vinavina dia hiditra an-tanety ao Melaky izy anio zoma amin’ny tanjaka Depression Tropicale (50 – 60 Km/ora). Ambany anefa ny herijika hivoarany ho rivodoza (Tempête Tropicale). Entanina sahady ny mponina amin’ny Distrikan’i Besalampy, Maintirano ary Antsalova mba hiomana ka hampihatra ny fepetra mikasika ny filazana fanairana sao misy fiovana goavana ny fivoarany mandritra ny 30 ora ho avy, hoy ny mpamantatra ny mety ho toetry ny andro. Ny mpampiasa ranomasina eo anelanelan’ny Morondava sy Analalava dia entanina mba tsy hiandriaka satria hikorontana ny toetry, hoy ny toromarika.Mbola hijojo kosa ny orana ho an’Antananarivo sy ny faritra maro manerana ny nosy anio zoma.

Toky R

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap