izay andron’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna eto Madagasikara, dia tsikaritra ho teren’ny fitadiavana ireo mponina manerana ny nosy tamin’ny ankapobeny. Tsy maintsy mitady, raha tsy izany, tsy mihinana, hoy ny fanehoan-kevitra. Saika hita ho nisokatra avokoa ny ankamaroan’ireo toerana manao asa tena toy ny fanetezam-bolo, ny fivarotana enta-madinika, ny fikirakiràna fifandraisan-davitra. Hita ho nivezivezy teny hatrany koa ireo mpivarotra entana mandehandeha isan-karazany toy ny voankazo sy ny kilalao. Akaiky rahateo moa ny Krismasy. Amin’ny ankapobeny, tsy nisy nahasamihafa loatra ny andavan’andro tamin’iny omaly iny, indrindra, raha ny hita teto Antananarivo renivohitra. Saika iraisan’ireo renivohi-paritany koa, tetsy ankilan’izay ny fahalotoan’ny tanàna. Isan’ny sary niparitaka tanaty tambazotran-tserasera, ohatra, iny omaly iny ny zava-misy manoloana ny fako misavovona ao Antsiranana ao.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"