airtel

Actualités

12-déc-2024

Andron’ny fifidianana

Teren’ny fitadiavana ireo mponina

Sample post image

Na dia natao ho andro tsy iasàna fa andraisan-karama aza ny andro omaly,

12-déc-2024

izay andron’ny fifidianana izay ho ben’ny tanàna sy mpanolontsain’ny tanàna eto Madagasikara, dia tsikaritra ho teren’ny fitadiavana ireo mponina manerana ny nosy tamin’ny ankapobeny. Tsy maintsy mitady, raha tsy izany, tsy mihinana, hoy ny fanehoan-kevitra. Saika hita ho nisokatra avokoa ny ankamaroan’ireo toerana manao asa tena toy ny fanetezam-bolo, ny fivarotana enta-madinika, ny fikirakiràna fifandraisan-davitra. Hita ho nivezivezy teny hatrany koa ireo mpivarotra entana mandehandeha isan-karazany toy ny voankazo sy ny kilalao. Akaiky rahateo moa ny Krismasy. Amin’ny ankapobeny, tsy nisy nahasamihafa loatra ny andavan’andro tamin’iny omaly iny, indrindra, raha ny hita teto Antananarivo renivohitra. Saika iraisan’ireo renivohi-paritany koa, tetsy ankilan’izay ny fahalotoan’ny tanàna. Isan’ny sary niparitaka tanaty tambazotran-tserasera, ohatra, iny omaly iny ny zava-misy manoloana ny fako misavovona ao Antsiranana ao.
Nangonin’i J. Mirija

 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap