airtel

Actualités

26-avril-2024

Andry Andriatongarivo

Nitory an’i Lalatiana Rakotondrazafy indray

Sample post image

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

26-avril-2024

ary kandida solombavambahoaka any amin’ny distrikan’i Faratsiho. Tafapetraka any amin’ny Lehiben’ny mpitsara mpanao famotorana na ny « doyen des juges d’instruction » eo anivon’ny Tribonaly Ambaratonga voalohany eto Antananarivo ny fitoriana nataon’Atoa Andry Andriatongarivo tamin’ny alalan’ny mpisolovava azy, raha ny loharanom-baovao azo antoka. Mitory an-dRtoa Lalatiana Rakotondrazafy sy ny namany ity farany, ka antony ny maha fikambanan’olon-dratsy, fikasana hamono olona, ary fihetsika tsy mendrika natao tamin’ny zaza,… araka ny fitoriana mitondra ny laharana 019/1PC/24/J13, voamarina ara-dalàna omaly 25 aprily 2024 fa tafapetraka. Mbola raharaha mitohy izany ity afera ity na any am-ponja aza ny ankilany rehefa nosamborina ny 08 novambra 2023, rehefa nilaza fa hanao ampamoaka maro samihafa. Raha ny fantatra dia efa nisy ny karazana fitoriana nataon’i Andry Andriatongarivo tany aloha, saingy nosokajiana ho tsy misy tohiny. Amin’ny raharaham-pitsarana anefa, rehefa misy ny karazana tranga na singa vaovao na « Faits nouveaux » dia azo tohizana indray ny raharaha, ka heverina fa izay no mahatonga ny fitoriana vaovao tahaka izao. Nisy rahateo ny horonam-peo miparitaka miresaka fanapoizinana amin’ny poizim-boalavo, izay heno tao anatin’izany ny hoe : terena hihinana, ary lazaina avy eo fa namono tena na «il s’est suicidé il a mangé du mort au rat ». Samy miandry izany ny rehetra eo anatrehan’ity raharaha ity hoe : handeha tahaka ny fanafainganana ny fisamborana sy fanagadrana an’I Andry Andriatongarivo sa hisy ny tsindry atao amin’ny mpitsara ? Ny sary miova ihany koa mantsy dia efa tsy eo amin’ny fahefana intsony ao anaty governemanta ny olona toriana eto raha ny endrika ivelany, fa efa olon-tsotra, saingy heverina fa mbola afaka manetsika izay azony hetsehana. Handeha ao anatin’izao iray volana mahery kely mialohan’ny latsa-batom-pifidianana amin’ny 29 mey ve sa hampanginina ? Ny azo antoka rahateo, dia tsy hipetra-potsiny ihany koa ny andaniny ka na tsy manam-pahefana aza dia heverina fa mbola manana dian-tànana betsaka ao anatin’izao fitondrana izao. Isan’ny mampihazakazaka an’ireo olon’ny governemanta manan-draharaha mety hiteraka fanenjehana azy ihany koa ny fihazakazahana haka seza ao Tsimbazaza hialokaloka amin’ny zo tsy azo henjehina ? Tsy hisy fiantraikany amin’ny vato ho azon’ireny kandida ireny ve ny raharaha tahaka itony ?
Toky R
 

Dans la même rubrique

06-mai-2024

Andrasana indray ny fandrendrehana saim-bahoaka na «diversion» manaraka,

Card image cap
06-mai-2024

Nofoanana ny fameram-bidy na "prix plancher" nataon'ny Fanjakana tamin'ny alalan'ny Minisitry ny paositra sy ny fifandraisan-davitra

Card image cap
06-mai-2024

Mitaky ny fanadihadihadiana lalina hivoahan’ny marina teo anatrehan’ilay raharaha fahatrarana sokatra 1076 sy ragidro 48

Card image cap
06-mai-2024

Betsaka ireo olona tra-doza eny rehetra eny isan’andro. Ankoatra ireo torana fa tsy nisakafo maraina na koa lasibatry

Card image cap
06-mai-2024

Rehefa tonga nefa ny misasakalina iny, dia rendrika soa ihany.

Card image cap
03-mai-2024

Feno 7 taona katroka omaly 02 mey 2024 ny onjam-peo Top Radio 102.8 FM amin’ny endriny ankehitriny

Card image cap