airtel

Actualités

06-mai-2024

AVG, WWF, TI-IM, TRAFFIC

« Nisy kolikoly avo lenta ilay trafikana sokatra sy gidro »

Sample post image

Mitaky ny fanadihadihadiana lalina hivoahan’ny marina teo anatrehan’ilay raharaha fahatrarana sokatra 1076 sy ragidro 48

06-mai-2024

avy eto Madagasikara tratra tany Thaillande ny AVG na Alliance Voahary Gasy, WWF, TI-IM na Transparency Internationa-Initative Madagascar, ary ny TRAFFIC. Mitaky ny hahafahana manenjika sy manasazy ireo tompon’antoka izy ireo, ka nanipika fa tokony hizaka ny saziny avokoa ireo izay rehetra voakasik’io raharaha io na ireo tratra tany Asia miisa 6 na ireo mety ho atidoha avy eto an-toerana. Goavana ny trafika niseho, ary nisy ny fomba nahafahana namoaka an’ireo, ka nilazan’ireto Firaisamonim-pirenena ireto fa trena nisy kolikoly goavana tao anatin’ity raharaha ity. Io moa no fahatrarana trafikana biby goavana indrindra tao Thailande, raha ny tatitry ny manam-pahefana ao an-toerana. Saika mbola hoentina any Korea Atsimo sy Taiwan, saingy tratra tao Bangkok. Takian’ireo firaisamonim-pirenena noho izany ny famerenana ireo biby mba haverina eto Madagasikara sy haverina any amin’ny toeram-ponenany. Ny Sokatra astrochelys radiata, dia isan’ny be mpanao trafika indrindra eran-tany, kanefa ao anatin’ny lisitra menan’ireo biby arovana araka ny fifanarahana UICN eo anivovon’ny CITES (Convention sur le commerce international des espèces de faune et de flore sauvages menacées d'extinction). 120 tapitrisa Ar ny iray amin'ny sokatra raha amidy any Chine izany hoe 129 120 000 000 Ar izany ny sandan'ireo 1076 izay tena vola tsy toko tsy forohana. 2 hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina miampy lamandy 100 tapitrisa hatramin’ny 200 miliara Ar ny fakana biby an-tsokosoko ao anaty faritra arovana araka ny lalàna 2015-005 tamin’ny 16 febroary 2015. Voararan’ny lalàna 2005-018 tamin’ny 17 oktobra 2005 ihany koa ny fanondranana sy fivarotana biby arovana avy eto Madagasikara, mampigadra 6 volana hatramin’ny 10 taona an-tranomaizina miampy onitra 10 ka hatramin’ny 20 000 000Ar. Misy ihany koa ny lalàna 2006-400 tamin’ny 13 jona 2006 nanamafy ny maha biby arovana eto amin’ny tanin’ny Repoblikan’i Madagasikara io karazana sokatra io, ka tsy azo hazaina, tsy azo samborina, tsy azo tazonina. Misy ny lalàna, fa moa tena voahaja ve hatramin’izay ? Nizaka ny saziny ohatra ireo mpanao trafikana boaderozy maro izay tena nanjaka tao anatin’ny fitondrana tetezamita 2009-2014 ? Nisy ny lisitra navoakan’ny Profesora Zafy Albert tamin’ny fahavelony, ary mbola nohamafisin’ny Praiminisitra teo aloha Atoa Jean Omer Beriziky. Mbola namoaka tsiambaratelo mikasika ny boaderozy ihany koa aza Atoa Harry Laurent Rahajason na Rolly Mercia tamin’ireny lonilonim-pifidianana tamin’ny 2019 ireny fa nampanginina any am-ponja,… Nitohy taty aoriana ny trafika samihafa hany ka hatramin’ny volamena tany anaty biraom-panjakana aza nanjavona ; ny trafika 73kg mahery tany Afrika Atsimo nangina, ny 48kg tany Kaomoro,… Tena mahomby ve ny fiarovana ny sisin-tany ? Dia tena tsy hitan’ny fitsirihana ve ny biby, volamena,… nandalo seranam-piaramanidina ? Hivoaka ve ny marina momba ity trafikana biby sy sokatra maro be ity ?
Toky R


 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap