airtel

Actualités

06-mai-2024

Saika tsy nahita tory fa efa tena mafy

dia mafy ny vidim-piainana ka lasa fisainana hatrami’ny alina ny tena.

Sample post image

Rehefa tonga nefa ny misasakalina iny, dia rendrika soa ihany.

06-mai-2024

Nahita ny fanavaozana lehibe natao ho an’ny anjerimanontolo eto Madagasikara. Nomena vahana tanteraka ireo manam-pahaizana sy mpikaroka Malagasy hampandroso ny tontolo ambanivohitra ary hanao fikarohana manokana ho an’ny fambolena sy fiompiana ary ny jono eto Madagasikara. Faly avokoa ireo mpianatra satria tonga dia ho afaka ny handraharaha sy hiasa vao vatany vita ny fianarany. Efa ampy ihany koa ny filàna eto an-toerana ka namorain’ny fanjakana ny sehatry ny fanondranana ireo vokatra makany amin’ireo nosy sy firenena manodidina antsika, hany ka nidina ny sandan’ny vola vahiny ka nidina nanaraka izany ihany koa ny vidim-piainana. Nisy ihany koa ireo mpikaroka manokana momban’ny tahirin’ireo tara ao tsimororo ahafahana mamboatra ireo lalana amin’ny sandany mora eto amintsika, ka tsy hanafatra intsony isika fa mamokatra eto an-toerana mba hamoronana asa ho an’ireo tanora. Indrisy, taitra tampoka aho, nijery ireo vaovao mahazo ireo mpianatra eny amin’ny oniversite, mahatsiaro ireo ora fampianarana maro tsy voalohan’ny fanjakana ho an’ireo mpampianatra. Dia fantatro fa hay nofinofy ihany no nataoko fa tena mbola ny mifanohitra no miseho. Tsy misy mandraharaha izay mpikaroka sy manam-pahaizana Malagasy izany eto fa raha vao misy olana kely dia iantsona vahiny lava izao. Ahoana tokoa moa no ahaizan’ny vahiny hampivelatra ny sehatra ny fiompiana omby gasy sy ny fambolena vary gasy ohatra? Tsy misy zava-pantany izany.
Tia Tanindrazana
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap