airtel

Actualités

27-oct-2025

Andry Rajoelina

Ahiana ho lasa tsy manan-tsata

Sample post image

Efa nivoaka moa iny ny didim-panjakàna

27-oct-2025

manala ny filoham-pirenena malagasy teo aloha, Andry Nirina Rajoelina, tsy ho isan’ny olompirenena malagasy intsony nanomboka ny 24 oktobra 2025 teo. Tsiahivina fa noho ny fahafantarana fa nanary izany zom-pirenena malagasy izany izy ny taona 2014 rehefa nangataka tamin’ny nahim-pony ny hanana zom-pirenena frantsay nefa efa feno taona na hoe «majeur». Azony, noho izany, ny zom-pirenena frantsay teo fa very kosa ny zom-pirenena maha malagasy azy, raha ny voasoratra ao amin’ny andininy faha 42 hatramin’ny faha 46 anaty lalàmpanorenana malagasy no jerena satria nanjary niofo na «naturalisé» ho frantsay ity oloben’ny firenena malagasy teo aloha ity. Hafa indray raha hoe nandova zom-pirenena avy amin’ireo ray aman-dreny na noho izy teraka tao amin’ilay firenena na ilay antsoina ihany koa hoe «par filiation», hoy hatrany ny fanazavàn’ireo mpahay lalàna. Etsy ankilany koa nefa dia mitabataba amin’izao fotoana izao, raha ny fampitam-baovao voaray avy any ivelany any, ireo diaspora malagasy monina ao Frantsa satria dia takian’izy ireo ihany koa ny hanalàna ny zom-pirenena frantsay voalaza ho azon’ity filoham-pirenena teo aloha ity tamin’ny alalan’ny fiofoana na «naturalisation» izay. Araka ny fitakian’ireto diaspora ireto dia tsy ara-dalàna ihany koa ny nanomezana izay zom-pirenena frantsay izay ho an’ity filoham-pirenena malagasy teo aloha ity izay. Raha mivaly ihany koa, araka izany, ny hetahetan’ireto diaspora ireto dia ahiana ho lasa tsy manan-tsata na ilay antsoina hoe «apatride» mihitsy ao aoriana ao izany filoham-pirenena malagasy teo aloha, Rajoelina Andry Nirina, izany.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

10-févr-2026

fanakorontanana sy tranga misesy fa efa vita kajy !

Card image cap
10-févr-2026

Ny servisy momba ny fitaovam-piadiana no tena lasibatra

Card image cap
10-févr-2026

Novonoin’ny olona tamin’ny 51 taona lasa»

Card image cap
10-févr-2026

Hamakivaky an’Atsinanana, Alaotra, Analamanga,…,

Card image cap
10-févr-2026

ny fanaraha-maso ny Fanjakana

Card image cap
10-févr-2026

Mariky ny fitiavana olona iray ny fanolorana

Card image cap