airtel

Actualités

09-nov-2022

Actualités

Andry Rajoelina Nanamafy ny antso famatsiam-bola ara-tontolo iainana

Sample post image

Nandray anjara tamin'ny hetsik'ireo mpitarika mitondra ny lohahevitra "accélérer l'adaptation en Afrique", izay nokarakarain’ny Vondrona Afrikanina, sy ny Banky Afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (BAD) ny Filoham-pirenena

09-nov-2022

Andry Rajoelina omaly 8 novambra 2022, izay tafiditra ao anatin’ny fihaonana an-tampony COP27 momba ny ady amin'ny fiovaovan’ny toetr’andro any Sharm El Sheikh, Egypte, araka ny fampitam-baovaon’ny Fiadidian’ny Repoblika. Tanjona ny hampiseho ny fandraisan'andraikitra sy fiaraha-miasa iraisam-pirenena amin’ny fanafainganana ireo fepetra momba ny "adaptation" na ireo fepetra fampifanarahana an'i Afrika manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Nambaran’I Andry Rajoelina tao anatin’ny fandraisam-pitenenany omaly, fa ny firaisan-kina no tokony hitondrana ny ady iombonana: dia i Afrika miarin-doha manoloana ny fiovaovan’ny toetr’andro. Tompon'andraikitra amin'ny 3% ny "gaz à effet de serre" na entona mangeja ny kaontinanta afrikanina, nefa izy no voalohany mizaka mivantana ny loza ateraky ny fiovaovan'ny ny toetr’andro, hoy ny Filoha. Noho izany, tokony ho ivon'ny paikady amin’ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny hanafainganana ny hamatsiana ny "adaptation" araka ny fifanarahana tany Paris sy tany Glasgow, hoy izy. Tsy vao sambany no niantso ny hisiana sy hamoahana ilay tahiry maitso na “fonds vert” mitentina 100 miliara dolara I Andry Rajoelina. Nomarihina hatrany fa efa misy ireo tetikasa miahy ny tontolo iainana voarakitra ao anatin'ny PEM (Plan Emergence Madagascar) ho an’I Madagasikara manokana. Anisan'izany ny fandaharanasa "clean cookin" izay hampihena ny fampiasana arina fandrehitra, eo ihany koa ny fampitomboana ny famokarana herinaratra amin'ny alalan'ny angovo madio sy azo havaozina, ny fizarana ireo "kits solaires" amin'ireo tokantrano manerana ny Nosy ary mba hahafahan'ny Faritra Atsimo misitraka rano dia efa misy ihany koa ny tetikasa fitarihan-drano lehibe mirefy 97km. Na izany aza, raha tarafina amin’ny kabary ambony latabatra dia tahaka ny tena manao na hanao zavatra betsaka ny mpitondra, kanefa raha jerena amin’ny tena zava-misy eto, dia tsy tena mahomby aloha ny politikam-pirenena momba ny ady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay ny fiarovana ny tontolo iainana no isan’ny fanohitra voalohany. Mihazakazaka ny fahapotehan’ny tontolo iainana, tsy takona hafenina ny fandringanana sy fanondranana hazo sarobidy niainga tamin’ny tetezamita hatramin’izao saingy vitan’ny hoe: izay tsy nanota taminareo no aoka hitora-bato azy, ny resaka fandrakofana ala an’i Madagasikara tena mbola mila ezaka be satria faharipahana noho ny fahamaizana sy ny fitrandrahana mamoafady no tena mibahan-toerana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Mivoatra ny raharaha fifanolananan’i Andry Andriatongarivo izay migadra eny amin’ny Fonjaben’Imeritsiatosika sy Rtoa Lalatiana Rakotondrazafy Minisitry ny fampianarana teknika teo aloha,

Card image cap
26-avril-2024

Faritra maro no tapaka tanteraka tao anatin’ny adin’ny telo ka hatramin’ny adin’ny dimy teo ny delestazy,

Card image cap
26-avril-2024

Manao tohivakana indray Manao tohivakana indray tato ho ato ny jiro sy rano tapa-dava eny Itaosy,

Card image cap
26-avril-2024

Lehilahy iray manodidina 40 taona antsoina hoe : Rakotonandrasana Jean Clément

Card image cap
26-avril-2024

Ela ny ela fa tratra tao amin'ny kaominina ambanivohitr’ Ambohijanahary Fokontany Ambatolampy

Card image cap
25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap