antontan-kevitra lasitra ho an’ny fiofanana
Natolotry ny IECD (Institut Européen de Coopération et de Développement) tamin’ny ofisialy ny Ministeran’ny Fampianarana Ara-teknika sy ny Fampiofanana arak’asa (METFP) omaly 03 aogositra 2026 ny « référentiels de formation » na antontan-kevitra lasitra sy tari-dalana mikasika fampiofanana miisa 3, ampiasain’ny Minisitera sy ireo toeram-piofanana eto Madagasikara amin’ny fampianarana teknika. Voalohany ny mikasika ny angovo azo havaozina, ho an’ireo te hanofana sy mamolavolavola ireo teknisianina momba ny angovo azo havaozina. Faharoa ny tari-dalana mikasika ny sehatry ny fizahantany indrindra ny sehatry ny « restauration » sy ny « hôtellerie ». Fahatelo kosa ny antontan-kevitra natokana ho an’ny toeram-panofanana te hanofana amin’ny sehatry ny ary ny « Conseiller en Orientation Scolaire et Professionnelle » na tolo-tsaina sy tari-dàlana ara-pampianarana sy arak’asa izay mikendry ny hanamafy sy hanamora ny asa fanoroana sy fanampiana ny tanora amin’ny làlan’ny fianarana sy ny asa. « Misy ny paikady stratejika nisafidianana an’ireo izay manampy ny Fanjakana amin’ny paikadim-pampandrosoana, nohalalinina ny hoe sehatra inona no afaka miainga ny toekarena Malagasy, ka niainga tamin’ireo sehatra ireo. Tafiditra amin’ireo ny angovo, fizahantany izay sehatra manan-danja ho an’ny toekarena, misy fampiasam-bola mitombo, misy orinasa mitsangana, misa asa miforona,… ka isan’ny narahin’ny IECD izany satria any amin’ireny toerana ireny no misy olona ilain’ny mpampiasa, mifanaraka tsara amin’ny asa ilainy », hoy Atoa Manitra Rakotoarivelo Solontena maharitry ny IECD eto Madagasikara. Ny tanjona dia mifandanja tsara ny filan’ny mpampiasa sy ny fiofanana arahin’ny mpianatra eny amin’ireny toeram-piofanana ireny. Tao anatin’ny dimy taona dia nisy zava-bita roa lehibe: ny fanamboarana sy fanavaozana référentiels amin’ny sehatra stratejika (6 ho an’ny hôtellerie-restauration, 2 ho an’ny solaire photovoltaïque ary iray ho an’ny orientation professionnelle), ary ny fampiharana fiofanana amin’ny alalan’ny alternance ho an’ny teknisianina amin’ny rafitra « solaire photovoltaïque » tao amin’ny LTP Alarobia sy Toliara, izay misitraka tosika manokana hahafahana mampiakatra ny lanjan’ny fiofanana sy ny fampianarana. Lasa fananan’ny Minisitera, ka ny toeram-piofanana te hanofana mikasika ireo dia maka sy mijery ny antontan-kevitra. « Tena ilaina izao ho fanatsarana ny kaliraon’ny fampianarana sy fanofanana eto Madagasikara. Niainga avy amin’ny zava-misy, niainga amin’ny filàna, niainga amin’ny tontolon’ny asa hoe inona sehatra afaka mampandroso ny fiarahamonina sy ny faritra misy antsika », hoy kosa ny Minisitra Todisoa Andriamampandry. Tonga dia ampianarina avy hatrany, haparitaka eraky ny faritra sy toeram-panofanana, ary namafisina fa misokatra hatrany amin’ny fiaraha-miasa izay niroborobo tao anatin’ny 4 volana ny Minisitera.
Toky R
Nanomboka tamin’ny taona 2020 ny fiaraha-miasa eo amin’ny METFP sy ny IECD, izay mikendry ny fanamafisana ny rafitra fampiofanana arak’asa sy ny fanekena ofisialy ny taranja, ny fampifanarahana ny fiofanana amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa, ary ny fanatsarana ny fidiran’ny tanora amin’ny asa maharitra. Mpampianatra eny amin’ny Oniersite ny tena, ary betsaka ny mpianatra no manao andrakandrana ka ny « orientation scolaire » dia atomboka aty amin’ny kolejy sy lisea,… ka tena manampy itony. Zava-dehibe ihany koa ny « formation en alternance » hoe mianatr’asa avy eo raisina ao amin’ny orinasa, ary amporisihana foana ny toe-tsaina mamorona asa, mba hiakaran’ny toekarena. Nanamafy fa betsaka ny fiaraha-miasa.
Hatramin’ny niorenany tamin’ny 1988, ny IECD dia fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana, ary efa niasa teto Madagasikara nanomboka tamin’ny 1989, amin’ny sehatry ny fampiofanana sy fanofanana, ny fampidirana tanora amin’ny asa ary ny fanohanana ny fandraharahana. Ity lanonana ity dia porofo fa ny METFP sy ny IECD dia maniry ny hanangana rafitra fampiofanana arak’asa matanjaka, mifanaraka amin’ny zava-misy ara-toekarena sy ara-tsosialy, ary manome fahafahana ho an’ny tanora amin’ny ho avy.
10 mahery no efa nataon’izy ireo ho an’ny Minisitera.
Ho an’ny angovo dia tena vaovao
Minisitra
dia natao tamin’ny fomba ofisialy ny lanonana fanomezana ireo référentiels vaovao ho an’ny fiofanana arak’asa, niaraka tamin’ny fiaraha-miasa amin’ny Institut Européen de Coopération et de Développement (IECD). Tonga nanatrika ny lanonana ny Minisitry ny METFP, izay nanamarika dingana lehibe amin’ny fanavaozana sy fanamafisana ny rafitra fampiofanana eto Madagasikara. Nandritra ny lanonana dia natolotra ny Certificat de fin de formation (CFF) telo vaovao: ny Chef d’équipe Hébergement izay natao hanomezana lanja sy hanavahana mazava ny fiofanana amin’ny valet/femme de chambre; ny Agent technico-commercial en solaire izay namboarina ho setrin’ny filàna mpiasa mahay ara-teknika sy ara-barotra amin’ny sehatry ny angovo azo havaozina; ary ny Conseiller en Orientation Scolaire et Professionnelle izay mikendry ny hanamafy sy hanamora ny asa fanoroana sy fanampiana ny tanora amin’ny làlan’ny fianarana sy ny asa. Ireo référentiels ireo dia vokatry ny fikarohana, ny atrikasa momba ny toe-javatra iasana ary ny fanamarinana natao niaraka tamin’ireo mpisehatra. Nanomboka tamin’ny taona 2020 ny fiaraha-miasa eo amin’ny METFP sy ny IECD, izay mikendry ny fanamafisana ny rafitra fampiofanana arak’asa sy ny fanekena ofisialy ny taranja, ny fampifanarahana ny fiofanana amin’ny filàn’ny tsenan’ny asa, ary ny fanatsarana ny fidiran’ny tanora amin’ny asa maharitra. Tao anatin’ny dimy taona dia nisy zava-bita roa lehibe: ny fanamboarana sy fanavaozana référentiels amin’ny sehatra stratejika (enina ho an’ny hôtellerie-restauration, roa ho an’ny solaire photovoltaïque ary iray ho an’ny orientation professionnelle), ary ny fampiharana fiofanana amin’ny alalan’ny alternance ho an’ny teknisianina amin’ny rafitra solaire photovoltaïque tao amin’ny LTP Alarobia sy Tuléar. Hatramin’ny niorenany tamin’ny 1988, ny IECD dia fikambanana iraisam-pirenena misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana, ary efa niasa teto Madagasikara nanomboka tamin’ny 1989, amin’ny sehatry ny fampiofanana sy fanofanana, ny fampidirana tanora amin’ny asa ary ny fanohanana ny fandraharahana. Ity lanonana ity dia porofo fa ny METFP sy ny IECD dia maniry ny hanangana rafitra fampiofanana arak’asa matanjaka, mifanaraka amin’ny zava-misy ara-toekarena sy ara-tsosialy, ary manome fahafahana ho an’ny tanora amin’ny ho avy.