airtel

Actualités

25-juin-2025

ANKATOKY NY FETIM-PIRENENA

Jerem-potsiny ny akoho amam-borona eny an-tsena

Sample post image

Jerem-potsiny toy ny tany nalavoana ireo akoho amam-borona hamidy eny an-tsena

25-juin-2025

amin'izao ankatoky ny Fetim-pirenena 26 Jona izao. Vokatry ny fahasahiranana lalina mahazo ny ankamaroan'ny tokantrano Malagasy avokoa no antony mahatonga izany. Antenantenam-potoana rahateo ny fety, tsy mbola nisy nandray karama ankoatra ny mpiasam-panjakana hany ka tsy misy manana fahafahana hividy izany ny rehetra. Misy amin'ireo mpivarotra anefa raha araka ny fanadihadiana natao no nanafatra vorona avy any Toliara sy Fianarantsoa mihitsy ho an'ny vorontsiloza. 50.000 Ar no nakany ny vorom-bavy iray tany an-toerana hamidy 80.000 Ar eto an-drenivohitra, raha araka ny fanadihadiana natao. 120.000 Ar kosa ny voron-dahy iray havoakany 150.000 Ar izay tsy maintsy omena sakafo sy karakaraina isan'andro mba tsy ho faty. Ny mpanontany no betsaka hoy hatrany ity mpivarotra iray ity. Mpanjifa iray amin'ny olona 50 isa manontany no mba tena mividy raha araka ny fanazavany hatrany saingy mbola amin'ireo karazany moramora toy ny ganagana sy ny akoho ihany koa. Nomarihiny araka izany fa na dia te-hanao fety mafy aza ny Malagasy dia tsy maintsy miaina amin'izay kely eo am-pelatanany fa tsy afa-manoatra.
Pati
Légende : Batain'ny mpividy fotsiny ny ankamaroan'ireo vorona eny an-tsena dia ilaozany !
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap