hoy ny fampitàm-baovao voaray avy any an-toerana ny sabotsy teo. Ao amin'ny kaominina ambanivohitr'i Dabolava, lalam-pirenena faha 34 na RN 34, distrikan'i Miandrivazo, faritra Menabe, no misy ny fokontanin'Ankiranomena. Vao tamin'ny fiandohan'ity taona 2025 ity no vaky ny karierana Colombite tao Besakay ao atsimon-tanàna ao. Mirohotra any Ankiranomena daholo ny olona avy amin'ny lafivalon'ny nosy, hoy ny filoha tale jeneraly misahana ny kolontsaina teo anivon’ny minisiteran’ny serasera sy kolontsaina teo aloha, Françis Razafiarison, raha nandalo tao an-toerana. Niforona ny tanàna vaovao, hoy izy. Efa am-polo taonany maro no efa fantatra ny maha renivohitry ny volamena an'i Dabolava ka izao niampy izao indray ny vokatry ny harena ankibon'ny tany hita ao. Ankoatry ny colombite, izay miteti-bidy 200.000Ariary isaky ny kilao dia ao ihany koa ny béryllium, 10.000Ariary isaky ny kilao, ny eladrano na mica sy ny «cristal de quartz» ary hafa marobe ka ireo sinoa no tena mpividy ireo "vato" ireo. Noho ny fisian'ny Zandary dia azo lazaina fa mandry fahalemana ny ao an-toerana. Mbola ireo Zandary hatrany koa no nandrindra ny fahadiovana amin'ny ankapobeny ka nialan'ny olona tamin'ny fangerena an-kalamanjana na jangoany. Na izany aza dia olana goavana ny rano, na fisotro io na fanivanana, hoy hatrany ny fampitàm-baovao voaray.
Nangonin’i J. Mirija
Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»