airtel

Actualités

03-oct-2024

ANKIZIVAVY BEVOHOKA 7 VOLANA

Nofirain’ny havam-badiny ny antsy, ahiana ho afa-jaza

Sample post image

Ankizivavy vao 26 taona monja, bevohoka 7 volana no fantatra fa nofirain’ny havam-badiny

03-oct-2024

tamin’ny antsy teo amin'ny lohany sy ny tanany tany Tsararivotra Ambalaroka , distrikan’i Manakara afak’omaly Talata 01 Okotobra tokony ho tamin’ny 11 ora atoandro. Tapaka tanteraka vokatr’izany ny tananan’ilay ankizivavy ka tsy maintsy ilana fandidiana ao amin’ny hopitaliben’i Manakara. Raha araka ny fantatra dia tsy nisy ny olana na fifamaliana teo amin’izy ireo. Fialonana tsotra izao no antony raha araka ny fanazavam-badin’ity tovovavy ity sy ny rahavavin-dReniny. Voka-dratsy mety ho aterak’ity tranga ity moa ny fahafantarana fa very ra be ilay tovovavy, antony mety hahafa-jaza azy.Miantso fanampiana ny amin'ny fitsaboana sy fandraisana andraikitra manoloana ny heritsetra nahazo ny zanany ireo fianakaviana. Efa eo am-pelatanan’ny mpitandro ny filaminana kosa ny raharaha.
Pati
Legende : Mbola manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly tahaka izao ilay tovovavy !

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap