Raha araka ny fantatra dia zanaky ny lalana ny ankamaroan’izy ireo ary nanendaka, nanao sinto-mahery, namono olona ankoatra ireo voaendrikendrika ny antony hanenjehana azy. Ankoatra ny fanefan’izy ireo ny saziny ho an’ireo efa voatsara dia misy ny fitsipika mifehy azy ireo raha araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra. Tsy maintsy mifoha amin’ny 06 ora maraina isan’andro ka mangahazo maina avy amin’ny fitondram-panjakana no sakafo. Manao raharaha toy ny manadio ny trano fidiovana sy fivoahana, ny efitrano fandriana…aorian’izany ary mamonjy ny sekoly sy ny ivon-toeram-piofanana arak’asa avy eo. Mirava indray amin’ny 12 ora atoandro dia misakafo ka fikambanana tsy miankina iray no miantoka izany. Miverina any am-pianarana indray amin’ny 02 ora folakandro ary mirava amin’ny 04 ora. Ny fianakavian’ireo ankizy arenina ireo kosa no miantoka ny sakafo hariva ho an’ireo mbola misy manatitra ka ireo zazalahy kely ireo ihany no mahandro izany. Raha araka ny fantatra moa dia miisa 5 izy ireo no miatrika ny fanadinam-panjakana BEPC etsy amin’ny lisea Jean Joseph Rabearivelo ka misy mpandraharahan’ny fonja manara-maso azy ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Ireo zazalahy kely nania tazonina etsy amin’ny fonjaben’Antanimora
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny