Misy ireo ankizy teraka tsy mitovy amin’ny hafa, hoy ny fikambanana Madagascar Trisomie 21 na MadaTriso ny sabotsy teo. Ny tena marina, hoy ny fanazavàna, dia manana fomba fijery hafa mampiavaka azy amin’izao tontolo izao fotsiny izy ireo. Eto Madagasikara, misy ireo ankizy manana ny fahasembanana Trisomie 21, izay manana nofinofy, talenta, indrindra, faniriana mba tena ho anisan’ny fiarahamonina. Matetika voahilikilika izy ireny noho ny tsy fahampian’ny enti-manana, tsy fahampian’ny fanentanana, tsy fahampian’ny fahafahana omena azy. Fihetsika tsotra iray nefa, tsiky kely iray, tanana mifandray dia afaka manova zavatra lehibe. Ho fandrenesana izay fahasamihafàna izay, noho izany, no hanatanterahana ny hetsika Event’21. Andro iray hanehoan’ireo orinasa ny firaisankina io, hihaonan’ny fianakaviana, hifampizaràna hafaliana ary iaraha-milalao amin’ireo ankizy hafakely voalaza teo ireo. Ny sabotsy 20 jona izao no hanatanterahana izany ao amin’ny kianja Barea Mahamasina mba hampiova fomba fijery eto Madagasikara sy hirosoana hatrany amin’ny atao hoe fampiatiana na fampiraisana anaty fahasamihafàna. Ny tanjona amin’ity andro ara-panatanjahantena sy kermesy ity ihany koa dia ny mba hividianana ireo filàna ara-panabeazana na ho an’ireo miaina ny Trisomie 21 ka nantsoina hoe «Kits éducatifs Hafakely» izany. Mbola misokatra ny fisoratana anarana ho an’ireo ekipa hatramin’ny herinandro ambony ary hanentanana ny malagasy rehetra, indrindra, amin’izao akatoky ny fetim-pirenena izao, hoy hatrany ny fampitàm-baovao.
Nangonin’i J. Mirija
Mbola mitana ny sain'ny maro ny raharaha