Raha tsiahivina kely ny tantara dia Ramatoa iray no nanatonan'izy ireo ary milaza ho tsy mahay miteny vazaha izy roalahy kanefa misy vazaha hividy ny volamena ao miny. Niangavy ity vehivavy ity izy ireo noho izany mba hanao mpandika teny mandritra ny fifampivarotana. Nilaza moa ireo 02 lahy fa omena 50.000 Ar isaky ny 01 grama ity vehivavy ity. Nifampiresaka tamin'ny finday ilay vehivavy sy ilay milaza ho vazaha ka nandresy lahatra itsy voalohany ity farany mba hanome "avance" ho an'izy mirahalahy hitazonana ny entana. Rehefa tratry ny fandraikiraikena teo ilay Ramatoa dia nanaiky ary nanome vola. Rehefa lasa ilay roalahy dia nojeren’ilay Ramatoa tao anaty fiara ilay nolazainy fa volamena kinanjo fasika no tao anatiny . Nitory teny anivon'ny Sampana heloka be vava ilay ramatoa ary efa voasambotry ny Polisy ireo mpisoloky. Miangavy ireo olon-tsotra efa tratran'ny fitaka nataon'izy roalahy ireo moa ny eny anivon'ny Polisy Sampana heloka be vava Anosy mba hanatona azy ireo.
Pati
Legende : Ireto izy roalahy niaraka tamin’ilay fasika nolazainy fa volamena
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny