Efa feno tanteraka mantsy ilay toerana nofaritan’ny kaominina hanariana izany izay marihina fa manakaiky tananan’olona.Tapitra mikohoka sy voan’ny sery avokoa araka izany ny ankamaroan’ireo kilonga madinika sy olona efa nahazoazo taona monina ao amin’ity tanana kely iray ity. Hatramin’ny nirotsahan’ny ranon’orana no mankaty mantsy dia tsy miato mamoaka fofona sy gaz ireo fako ireo ka ny mpandalo aza mila tsy hahazaka izany. Miantso ny kaominina Antananarivo renivohitra araka izany ireo mponina ireo mba hijery akaiky ny zava-misy iainan’izy ireo. Manodidina ny 90 isa eo ho eo izy ireo izay tsiahivina fa efa niakaran’ny rano ihany koa nandritra ny fiavian’ny ranon’orana tsy niato teo saingy mbola nanam-bintana ka nidina mora foana izany.
Pati
Legende : Mitady ho Andralanitrakely eny Anosipatrana amin’izao
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny