airtel

Actualités

11-avril-2023

Actualités

Anosy,Analakely,Ambohijatovo… Feno mpitsangatsangana avokoa omaly

Sample post image

Saika feno mpitsangatsangana avokoa ireo toerana azo nakana sary sy notsidihina teto an-drenivohitra omaly Alatsinain’ny Paska. Anisan’izany ny teny Analakely, Ambohijatovo,

11-avril-2023

ny zaridainan’Anosy, ny teny Tsimbazaza, Marais Masay….Antony nahasarika ireny mpitsangatsangana ireny tamin’ireo toerana ireo raha araka ny fanadihadiana natao ny mahaakaiky azy, indrindra fa ireo manan-janaka madinika marobe. Na nandehanana taxibe aza dia indray mandeha monja ihany raha vitana dia an-tongotra mihitsy ny an’ny sasany. Saika tsy nanana fahafahana ny handeha hitsangatsangana lavitra rahateo ny ankamaroan’ny isan-tokantrano omaly noho ny fahasahiranana ka ilay tsy nandeha mihitsy no tsy mety, ho an’ny sasany. Na izany aza tsy vitsy ihany koa ireo nijanona tao an-tokantrano nanao sakafo miavaka kely oharina amin’ny mahazatra no sady niara-nikorana tamin’ny fianakaviana. Encadree kely raha mety Tsiahivina hatrany moa fa paska faharoa omaly Alatsinainy ho an’ny mpino sasany. Alatsinain’ny Paska, fotoana tena natokana hitsangatsanganana kosa ho an’ny sasany, tohin’ny nandresen’i Jesosy Kristy ny fahafatesana ka niarahany tamin’ireo mpianany roalahy tao Emaosy teny an-dalana. Tsy nitsahatra ny nizara mofo Jesosy nandritra izany, antony nahafantaran’ireo mpianany roa ireo fa tena Izy marina ilay niaraka taminy, rehefa avy nandresy ny fahafatesana.
Legende : Maresaka lalandava Analakely raha vao andro fety
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap