airtel

Actualités

17-avril-2023

Actualités

Antananarivo 5 taona tsy nety voavaha ny olan’ny fako

Sample post image

Iaraha-mahita ny olan’ny fako eto Antananarivo renivohitra tao anatin’izay 5 taona nandraisan’ny ben’ny tanana, Naina Andriatsitohaina, ny fitantanana ity renivohitr’i Gasikara ity izay.

17-avril-2023

Heverina ho nanam-bintana ihany anefa ity ben’ny tanana ity noho ny fananany mponina hendry ka tsy nanatanteraka ilay fampanantenany hoe atero any an-tranoko ny fako raha mbola misy tsy voaroaka. Ankehitriny, Amboditsiry, Ambohidahy, Andraisoro, saika amin’ireo toerana be mpandeha dia tsy misy tsy ahitana fako misavovona, izay azo antoka fa tsy maha vanombanona ny fahasalaman’ireo mponina manodidina izany ihany koa. Ny eny Andraisoro izany moa dia efa hila hitovy amin’ny aavon’ny trano misy rihana iray eny an-toerana mihitsy ny aavon’ny fako misavovona eo an-kilany eo, raha ny fitarainan’ny mpandalo iray ny sabotsy teo. Ny ben’ny tanana moa tsy misy ataony afa-tsy ny manao sangisangy zaritenany na manoloana ny lalana eto Antananarivo izay efa mitady ho lalan-tany tanteraka toy ireny any ambanivohitra ireny na manoloana ity olan’ny fako ity.
J. Mirija
Legende : Tahaka izao ny zavamisy eny Andraisoro
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap