Raha araka ny fantatra dia nanao taratasy hosoka izy ireo. Nanao « Certificat de négativité test PCR Covid19 » izy mirahavavy ireto izay marihina fa tsy azo hatao kilalao satria mihatra mivantana amin’ny fahasalaman’olombelona. Mpiasan’ny Institut d’hygiène Analakely tamin’ny andron’ny hamehana ara-pahasalamana ireto farany izay nifindra niasa teny amin’ny LA2M Androhibe ny volana mey taona 2021. Nanomboka tamin'izany no nanaovany izao asa ratsiny izao. Efa ahiahiana fa misy olona mifamezivezy miditra ao amin'ny biraon'ireto roavavy ireto, ka nampiahiahy ny lehibeny ao amin'ny toeram-piasany. Fantatra araka izany fa misy taratasy hosoka mivoaka ao amin'izy reo ka nanokatra fanadihadiana avy hatrany ny tompon'andraikitra ary niafara tao amin'ny polisy ekonomika izao. Ny vahiny no tena betsaka mandalo manatona azy roa ireto ary hamidiny amin’ny vidiny 250 000Ar ny « certificat » iray. Marihana fa manana fitomboka hosoka izy ireo hanaovany izany taratasy izany ary izy ireo ihany koa no manao ny sonia amin’ireo taratasy.
Pati
Legende : Ireto izy mirahavavy mpanao taratasy hosoka
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny