airtel

Actualités

01-août-2023

Actualités

Antananarivo Mirongatra sy mahazo vahana ny halatra tany

Sample post image

Mirongatra sy mahazo vahana ny halatra tany eto an-drenivohitra sy ny manodidina. Miseho amin’ny endriny maro samihafa

01-août-2023

izany raha araka ny fanadihadiana natao. Anisan’ireny ireo tany efa misoratra amin’ny anaran’olona ary misy manodina avy eo indrindra fa ireo tsy mbola nananganana fotodrafitrasa na dia tamboho fotsiny aza. Toraka izany koa ireo efa nanangan-javatra ihany saingy varimbariana tsy mamindra ilay tany amin’ny anarany ny tompony ka voahodina ihany koa… Voavadik’ireo mpangala-tany amin’ny anarany mihitsy ireo tany ireo ka saika mahazo fitarainana sy mahita tranga tahaka izany avokoa ny ankamaroan’ireo Boriborintany sy kaominina eto an-drenivohitra sy ny manodidina rehefa voahilika eo amin’ilay tany ilay tena tompony. Ny tena mampalahelo amin’ity tranga ity dia karazana tambajotra mihitsy no manao ilay asa ratsy ka tokony hitandrina ireo tena tompon’ny tany. Tsiahivina moa fa na dia tany efa misy trano… izao aza ka hitan’ireo mpangala-tany fa azony hidirana dia mbola voahodiny ihany ary hahavitany taratasy hosoka mihitsy. Tafiditra ao anatin’ny laharana faharoa amin’ny ady hifanaovan’ny olona eny amin’ny tribonaly amin’izao moa ny resaka ady tany raha eo ihany koa ny fangatahana fisaraham-panambadiana.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap