airtel

Actualités

02-mars-2022

Actualités

Antananarivo Renivohitra Lasa Parking fitadiavam-bola ny tokontanin’ny EPP

Sample post image

Saika hatao parking na toerana fijanonan’ny fiarakodia sy ny moto amin’ny alina ny ankamaroan’ireo sekoly ambaratonga fototra eto Antananarivo renivohitra sy ny manodidina.

02-mars-2022

 Efa taona maromaro no nisian’io tranga io izay mampanontany tena ny rehetra. Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpiandry tanana iray miasa amina EPP iray eto an-drenivohitra dia entin’ny talen-tsekoly hamenoana ny vola tokony omen’ny fanjakana azy amin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fanabeazam-pirenena ny vola azo avy amin’ireny mba hampiodinan-draharaha. Kely loatra mantsy izany fanampiana izany hoy izy. Na ny karaman’ireo mpampianatra FRAM mbola tsy voaray ho mpiasam-panjakana miasa eo anivon’ireny EPP ireny aza hoy izy mbola latsak’emboka alohan’ny Ray aman-dRenin’ny mpianatra isam-bolana izay manodidina ny 3.000 Ar miankina amin’ilay sekoly sy ny isan’ireo mpampianatra FRAM ao aminy. Mikasika ireo fiara sy moto mijanona eny an-tokontanin’ireny EPP ireny dia fantatra fa tsy maintsy miala marainabe isan’andro izy ireny amin’ny 06 ora any ho any ohatra ary amin’ny 06 ora hariva ihany koa vao afaka miditra. 30.000 Ar isam-bolana no alohan’ny fiara iray raha 15.000 Ar kosa ny an’ny moto. Raha fehezina araka izany dia vokatry ny tsy fahampian’ny fanampiana omen’ny fanjakana ny EPP no antony manosika ireo talen-tsekoly hampanofa ny tokontany ao aminy mba hatao parking ho an’ireo manana izany.

Pati

Legende : Tahaka izao ny zava-misy eny anivon’ireo tokontanin’ny EPP eto an-drenivohitra

 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap