airtel

Actualités

26-oct-2022

Actualités

Antananarivo renivohitra Tsy misy mpanjifa intsony ireo mpivaro-tena

Sample post image

Anisan’ny asa tranainy indrindra ary azo lazaina ho mamelona ankohonana maro ihany koa ny asa fivarotan-tena maneran-tany. Misedra olana anefa ity asa ity ankehitriny, indrindra fa eto an-drenivohitra.

26-oct-2022

 Raha araka ny resaka nifanaovana tamina mpivaro-tena iray mantsy dia nihena hatrany amin’ny 50% ny mpanjifan’izy ireny amin’izao. Isaky ny faran’ny herinandro vao mba mahita vola hatramin’ny 10.000 Ar hoentina mody ireo mivarotra ny tenany amin’ny alalan’ny 5.000 Ar raha zara raha mahita kosa amin’ny andavanandro. Raha araka ny fanadihadiana natao hatrany dia voatery mampidina ny saran’ny vidin’ny tenany izy ireo noho izany indrindra fa ireo sokajy heverina ho sahirana indrindra. Eny Anosy sy ny manodidina no tena ahitana ireto farany izay efa mivarotra ny tenany amin’ny alalan’ny 500 Ar tsy miditra any anaty efitrano fatoriana fa eny rehetra eny dia vita. Nomarihin’ity Renim-pianakaviana mpivaro-tena nanaiky niresaka tamin’ny gazety Tia Tanindrazana ity moa fa na hiova asa hafa aza izy ireny dia tsy mahita irika intsony. Ho an’ny asa fanasan-damba ohatra dia efa samy miezaka manasa tsikelikely ny azy avokoa ny ankamaroan’ny isan-tokantrano amin’izao hampihenana ny vola mivoaka. Vokatry ny hasarotan’ny fiainana avokoa no mahatonga izany. Tsy maintsy miaina amin’ilay 500 Ar…. araka izany ireo mpivaro-tena amin’ny sokajy tena sahirana sitrany ahay kafe sy mofokely entiny mody hatao sakafon-janany.
Pati
 

Dans la même rubrique

22-mai-2025

Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,

Card image cap
22-mai-2025

Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly

Card image cap
22-mai-2025

Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana

Card image cap
22-mai-2025

An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.

Card image cap
22-mai-2025

Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :

Card image cap
21-mai-2025

Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,

Card image cap