airtel

Actualités

17-févr-2025

Antananarivo sy ny manodidina

Miakatra ny rano, vahoaka an’arivony iharan-doza

Sample post image

Vahoaka marobe eto an-drenivohitra sy ny manodidina no fantatra fa miaina anaty

17-févr-2025

rano taorian’ny ranon’orambe nisy teto an-drenivohitra sy ny manodidina nanomboka zoma 14 febroary hariva lasa teo. Ireo faritra iva no tena lasibatra izay miara-miaina amin’ny maloto mitsingevana ny ankamaroany. Sahirana ny mponina vokatr’izany. Maromaro ireo ahiana tsy maintsy hiala na handao ny tokantranony vokatr’izany. Toy ny etsy amin’ny Fokontany Avaratetezana kaominina Ampitatafika, lalovan’ny reniranon’i Sisaony… izay efa niditra an-tsehatra ny Birao misahana ny loza sy tandindon-doza na ny BNGRC nanala sy nanavotra ireo olona noho ny loza mihatra. Tsiahivina moa fa afak’omaly Sabotsy 15 Febroary dia fantatra fa teo anelanelan’ny 50 ka hatramin’ny 80mm ny haavon’ny rotsak’orana teto amintsika, raha araka ny vaovao azo teo anivon’ny sampana mpamantatra ny toetr’andro etsy Ampandrianomby. Mila mitandrina ny rehetra manoloana izany mba hisorohana ny loza mety hitranga toy ny tamboho na tany mihotsaka…. Asan'ireo faritra voa mafy isaky ny vanim-potoan'ny rotsak'orana tahaka izao ny Kaominina Anosizato Andrefana. Fokontany miisa 3 no dibodrano hatramin'ny omaly ka voa mafy ao anatin'izany ny fokontany Antandrokomby. Tokatrano miisa 386 ao anatin'ny kaominina Anosizato Andrefana no traboina hatramin'ny omaly, izay ahitana olona manodidina 1903 araka ny tarehimarika avy avy amin’ny ben’ny tanàna navoakan’ny HCC, izay Efa nafindra Amina toerana azo antoka ety Anosizato ihany. Omaly tamin’ny 6ora hariva, tafakatra 2564 ireo traboina vokatry ny fiakaran'ny reniranon'i Sisaony eny amin'ny Antananarivo Atsimon'drano sy Ambohidratrimo ary Tanà II. 1676 kosa ireo olona nafindra toerana.
ENCADRE
Mipetraka ny fampitandremana miloko MENA amin’ny fiakaran’ny rano vokatry ny fahabetsahan’ny rotsak’orana. Hahazo vahana hatrany ny oram-pahavaratra saika manerana ny Nosy ato anatin’ny roa andro manaraka, raha ny filazana omaly. Mety hanatombo kokoa izany amina toerana sasany amin’ny afovoan-tany sy Atsimo Atsinanan’i Madagasikara (40 hatramin’ny 90mm ny rotsak’orana andrasana ao anatin’ny 24 ora). Fampitandremana miloko mena ho an’ireto toerana voalaza manaraka ireto: ANALAMANGA, ITASY, VAKINANKARATRA, AMORON’I MANIA, VATOVAVY, FITOVINANY, tapany Atsimon’ny faritra ATSINANANA sy ALAOTRA MANGORO.
Toky R sy Pati

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap