airtel

Actualités

29-nov-2021

Actualités

Antananarivo sy ny manodidina Na tsy misy rano, na misy fa miloko volon-tany

Sample post image

Niha mafy ny herinandro teo ny fitokonan-drizareo teny Ambatomaro teny noho ny fijaliana amin’ny tsy fisian-drano. Sady efa mila mifoha maraina be,

29-nov-2021

 hoy ireo fitarainana, no mbola tsy hay koa na hahazo na tsia ity ranon’ny JIRAMA zara raha misy sy miloko volon-tany ity. Ny mponina any Andranovelona Ilafy moa dia misy mahavatra mitondra fiara manokana mihitsy, ireo izay manana izany, hiakarana aty an-drenivohitra hakana rano amin’ireo Havana mbola mba afaka mamatsy izany. Mafy dia mafy koa io fahatapahan-drano tsy voafehy io eny amin’ny boriboritany fahadimy eny ary tsy vao izao io fa efa matetika saingy tamin’ity no tena tsy zaka, indrindra, ety aminay, hoy ny mponina eny Amboditsiry iray. Ireo mponina eny Itaosy moa dia mila hiteny maloto imasom-bahoaka mihitsy entina hilazana fa tena leo sy tofoka tanteraka amin’ity fijaliana ara-drano ity. Teny Itaosy izay misy faritra sasany 1 ka hatramin’ny 3 ando tsy misy rano. Mbola misy maharitra noho izany ny faritra sasany eto Antananarivo raha nyfiresaky ny olona. Asa na mbola ho fanesorana tompon’andraikitra ihany no vahaolana hitan’ny fitondram-panjakana na mba efa ho vahaolana hafa tena miteraka fahombiazana lavitra amin’izay.
J. Mirija
Legende: Dia sanatria ve mbola hiova ho loko maloto kokoa noho izao izy ity?
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Ahiana hisy rivo-doza hiforona hanakaiky an’i Madagasikara ato ho ato.

Card image cap
25-avril-2024

Nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly 24 aprily 2024 ny hanaovana lavanty

Card image cap
25-avril-2024

Vehivavy kely iray vao 29 taona antsoina hoe : Bezafy Armella omaly Alarobia 24 Aprily no fantatra fa maty

Card image cap
25-avril-2024

20 tapitrisa Ar be izao no saran’ny fampodiana ny vatana mangatsiakan’i Rasoarimalala Antoline,

Card image cap
25-avril-2024

Nampiana ny isan’ny polisy monisipaly sy ny mpamonjy voina hiasa eto Antananarivo renivohitra.

Card image cap
24-avril-2024

Anisan’ireo tazana tetsy Besarety tao anatin’ilay atrikasa nataon’ireo mpahay lalàna,

Card image cap