airtel

Actualités

23-mai-2023

Actualités

Antanimalandy Mahajanga Fiara 12 sy trano iray may kila forehitra

Sample post image

Camions citernes plateaux 2, tracteurs 4, remorques bâchés 3 ary remorques citernes 3 no kila hotohoton'ny afo tao amina garazy iray teny Antanimalandy,Mahajanga,

23-mai-2023

omaly Alatsinainy 22 may atoandro . Raha araka ny fantatra dia fipoahana mafy tamina kamiao citerne iray no nanaitra ny rehetra tokony ho tamin'ny 12 ora sy 10 minitra atoandro. Nijoalajoala vokatr’izany ny afo avy eo ary nihitatra tamin'ireo kamiao citerne sy remorque hafa. Tafakatra 12 isa ireo fiara may kila forehitra noho izany. Mitohy ny fanadihadiana hataon’ny mpitandro ny filaminana. Mbola niredareda rahateo ny afo omaly hariva hatramin’ny 6 ora mahery 12 minitra. Na izany aza miezaka ny mifanotrona sy mifanome tanana ny mpamonjy voina. Nanao ny asany ihany koa ireo mpitandro filaminana mitambatra. Marihina moa fa ankoatra ireo fiara ireo dia trano fanitso efitra roa ihany koa no may kila . Rava tanteraka ny entana rehetra tao anatiny noho izany raha tsy nisy tao an-trano ny tompon-trano. Trano mifanila vodirindrina tamin'ilay garazy nisy fipoahana moa ireo lasibatra ireo.
Nangonin’i Pati
Legende : Afo nahatsiravina tahaka izao no nandravarava ireo fiara 12 isa sy ilay trano iray
 

Dans la même rubrique

28-mai-2025

Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.

Card image cap
28-mai-2025

Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.

Card image cap
28-mai-2025

Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.

Card image cap
28-mai-2025

Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.

Card image cap
27-mai-2025

Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,

Card image cap
27-mai-2025

Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny

Card image cap