airtel

Actualités

17-nov-2025

ANTANIMORA SUD

2000 Ar isaky ny enim-bolana ny vaksinin'ny omby iray

Sample post image

Lafo ny vidin'ny vaksinin'omby any

17-nov-2025

amin'ny distrikan'Antanimora Sud, Toliara II. 2.000 Ar isaky ny omby iray isaky ny enim-bolana mantsy izany raha araka ny fanazavan'ny depiote voafidy any an-toerana Iaban'i Longo. Eo an-danin'izay anefa hoy izy dia tsy maintsy aloha io vola io na misy omby tsy tokony hatao vaksiny aza. Mahatsiaro ho sahirana mafy ireo tantsaha mpiompy sy mpamboly noho izany. Hetahetan'ity Solombavambahoaka ity ny mba hampidinana ho 1000 Ar isaky ny enim-bolana ny vidin'ny vaksinin'omby. Hangatahiny ihany koa ny hametrahan'ny Ministeran'ny fiompiana sy fambolena olona matihanina amin'izany ao Antanimora Sud. Mbola olon-tsotra mantsy hatreto no manatanteraka ny asa veterinera any an-toerana hoy hatrany ny nambarany. Mikasika ny ranon'orana manokana moa dia nisy ny tolo-kevitra nomeny teo anivon'ny Antenimieram-pirenena ny amin'ny tokony handrotsahana ranon'orana artifisialy. Toraka izany koa ny hametrahana paikady matotra ho enti-miady amin'ny valala indrindra fa any amin'ny faritr'Androy.
Pati
Légende : Iaban'i Longo, solombavambahoaka voafidy tany amin'ny distrikan'Antanimora Sud !
 

Dans la même rubrique

30-avril-2026

ny miaramila sy tanora handoro toby mpihary herinaratra »

Card image cap
30-avril-2026

Tanora miisa 15 no indray

Card image cap
29-avril-2026

Tsy tena tsapa ilay fanovàna ! Apetrao ny satan'ny tetezamita fanavaozana !"

Card image cap
29-avril-2026

birao vaovao, notsofina rano

Card image cap