airtel

Actualités

30-juin-2025

Antoko TIM

« Ajanony io TVA 20% io, ny olam-bahoaka vahana !»

Sample post image

Nanamafy ny antoko TIM tamin’ny fanambarana nosoniavin’Atoa

30-juin-2025

Rina Randriamasinoro Sekretera Jeneraly sady depiote, fa daroka tsy misy indrafo amin’ny toekerana Malagasy efa mikaikaika sy mitrosona amin’ny tany ankehitriny ilay haba 20% alaina amin’ny zana-bola rehefa manao findramam-bola amin’ny banky. « Efa andalam-pahaseporana tanteraka ny toekarena eto Madagasikara ankehitriny kanefa dia takiana haba 20 % amin'ny zana-bola amin'ny trosa indray. Ho sarotra ho an'ny orinasa sy ny tokantrano malagasy ny hanefa izany trosa izany amin'ny fe-potoana fandoavana azy. », hoy ny fanambarana. Nambara fa ho lafo kokoa ny fampindramam-bola ho an'ny famatsiambola amin'ireo tetikasa, ny fanorenana trano, ny fandoavana saram-pianarana sy ny fampiasana andavanandro. Efa ambany dia ambany ny fahefa- mividin-dRamalagasy ankehitriny kanefa vao maika hampahantra sy hanitatra ny fahavoazana efa misy izao fepetra izao. Marina fa mitady hampitombo vola miditra amin'ny haba ny fanjakana, saingy tsy manampy amin'ny fitomboan'ny toe-karena sy ny fitokisan'ny vahoaka izany, hoy hatrany ity fanambarana ity. « Koa satria efa nolanian'ny solombavambahoaka maro an'isa mpanohana Fitondràna teo anivon'ny Antenimierampirenena io lalàna io, na dia efa naneho ny tsy fankasitrahanay izany aza izahay solombavambahoaka Mpanohitra dia hamafisinay ny hevitray ny amin'ny fampitsaharana avy hatrany izao fepetra izao ary fitadiavana vahaolana hentitra ho an'ny tombotsoan'ny rehetra. », hoy ny Antoko TIM. Takian’izy ireo noho izany ny : hanemorana ny fampiharana izao fepetra izao mba hanomezana fotoana ho an'ireo mpisehatra ara-toekarena mba tsy ho rava ny fitokisana amin'ny fifanarahana ; Fifanakalozan-kevitra eo amin'ny Fanjakàna sy ny sehatra tsy miankina, ; Hetsiky ny ara-dalàna sy mangarahara eny anivon'ny Antenimierapirenena miaraka ny fanadihadiana tsy miankina; Fametrahana fe-potoana fampiatoana izao fepetra amin'ny haba vaovao izao, ka hifantohan'ny fanjakana amin'ny famahana ny olan'ny jiro, ny rano fisotro madio, ary ny tsy fandriampahalemana izay manakenda tanteraka ny toekarena. Tsara kosa ny manamarika andaniny, fa nisy depiote TIM azo sary nanangan-tanana tamin’ny fampandaniana ny LFI 2025.
Toky R
 

Dans la même rubrique

17-avril-2026

Nofoanana tamin’ny taona 1973

Card image cap
17-avril-2026

Tsy mampandeha amin’ny laoniny ny fanavaozana ny tsy fandriampahalemana»

Card image cap
17-avril-2026

fifamonoana sy fifanimbàna»

Card image cap
17-avril-2026

ivelany mafy tsy voafehintsika»

Card image cap
17-avril-2026

hanaraha-maso ireo faritra arovana

Card image cap
17-avril-2026

hahazo tombony amin’ny tetikasa D-CLIC

Card image cap