airtel

Actualités

21-oct-2025

Antsirabe II

Lehilahy iray sy vehivavy iray maty teo ambony fatana biriky

Sample post image

Nahitàna trangan-javatra mampalahelo

21-oct-2025

tao Sahasiho, Kaominina ambanivohitr'i Tsarafiraisana, distrikan'Antsirabe II. Tovovavy iray manodidina ny 20 taona sy tovolahy iray 30 taona eo ho eo no hita faty omaly Alatsinainy 20 Oktobra maraina teo ambony fatana fandoroana biriky. Tsy fantatra izay fifandraisan'izy ireo. Raha araka ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana dia tombanana ho nialoka tao ambon'ity fatam-biriky izay nahitàna ny razana ity izy 02 kely ireo ka mety ho sempotry ny setroka sy ny hafanana avy tamin'ilay fatana, antony nitarika ny fahafatesany. Tsy nisy rahateo ny olona afaka niantson'izy ireo vonjy, hoy ny vaovao. Avy ao Ankerambe Ambano ilay tovolahy ary namela zazavavy kely kamboty izay vao 02 taona monja. Ilay tovovavy kosa mbola tsy fantatra izay fianakaviany. Efa miroso amin'ny fanadihadiana ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.
Nangonin'i Pati
Légende : Tety no nahitàna ny razana !
 

Dans la même rubrique

22-oct-2026

tohin’ny afera Nosy Be Hell Ville…

Card image cap
22-oct-2026

Notsipahan’ny HCC ny andininy miisa roa

Card image cap
22-oct-2026

Nametraka fitoriana ireo mpiray fihaviana aminy

Card image cap
22-oct-2026

Mikatona 2 volana ny fanjonoana,

Card image cap
22-oct-2026

notolorana mari-boninahitra

Card image cap
21-oct-2026

Natsikafon’ny PRRM fa

Card image cap