airtel

Actualités

21-oct-2025

Antsirabe II

Lehilahy iray sy vehivavy iray maty teo ambony fatana biriky

Sample post image

Nahitàna trangan-javatra mampalahelo

21-oct-2025

tao Sahasiho, Kaominina ambanivohitr'i Tsarafiraisana, distrikan'Antsirabe II. Tovovavy iray manodidina ny 20 taona sy tovolahy iray 30 taona eo ho eo no hita faty omaly Alatsinainy 20 Oktobra maraina teo ambony fatana fandoroana biriky. Tsy fantatra izay fifandraisan'izy ireo. Raha araka ny loharanom-baovao azo avy any an-toerana dia tombanana ho nialoka tao ambon'ity fatam-biriky izay nahitàna ny razana ity izy 02 kely ireo ka mety ho sempotry ny setroka sy ny hafanana avy tamin'ilay fatana, antony nitarika ny fahafatesany. Tsy nisy rahateo ny olona afaka niantson'izy ireo vonjy, hoy ny vaovao. Avy ao Ankerambe Ambano ilay tovolahy ary namela zazavavy kely kamboty izay vao 02 taona monja. Ilay tovovavy kosa mbola tsy fantatra izay fianakaviany. Efa miroso amin'ny fanadihadiana ireo tompon'andraikitra isan-tsokajiny.
Nangonin'i Pati
Légende : Tety no nahitàna ny razana !
 

Dans la même rubrique

21-avril-2026

Ben'ny tanàna ny Vahoaka

Card image cap
21-avril-2026

10 volana izay no dify taorian’ ny

Card image cap
21-avril-2026

hoy ny ben’ny tanàna

Card image cap
20-avril-2026

amin’ny Fanjakana sy ny PTF

Card image cap
20-avril-2026

ny fanenjehana ny Mopera Pédro

Card image cap