sampana Antananarivo ka nanapa-kevitra hamarana ny taom-pianarana 2022-2023, hoy ny fanambaran’izy ireo omaly. Toa vara-datsaka anefa, hoy izy ireo, no valin’izany tamin’ny mpitondra fanjakana ka nanapahany ny karaman’ireo mpitarika ny sendika. Noho izany dia tsy ny SECES fotsiny ihany no mihetsika fa ny rehetra amin’ny sokajin’asa “mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra” iraimanontolo ary miombom-peo manameloka ny antsojay ataon’ny mpitondra. Miverina amin’ny fanapahan-keviny teo aloha ireo mpampianatra mpikaroka sy mpikaroka mpampianatra ka mampiato indray ny fampianarana mandra-pahitana soritra mazava ny fepetra famerenana ny karaman’ireo namana mpitarika ny SECES, hoy hatrany ny SECES omaly.
J. Mirija