airtel

Actualités

30-janv-2024

Arakaraka ny hanamafisana ny lalàna

Hafahafa, vao mainka mirongatra ny fanolanana

Sample post image

Nisokatra omaly 29 janoary 2024 ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ireo Antenimiera

30-janv-2024

roa tonta araka ny Didim-panjakana laharana faha 2024-071 ny 25 janoary 2024, noraisin’ny governemanta. Niatrika ny lanonam-panokafana tetsy Tsimbazaza ny Praiminisitra sy ireo mpikamban’ny governemanta, raha toa ka tsy tazana kosa ny Filohan’ny Antenimierampirenena izay tsy eto an-toekarana, ka ny Filoha lefitra ho an’ny Faritanin’Antananarivo no nitarika ny lanonana. Lahadinika efa voafaritry ny filan-kevitry ny Minisitra ihany no haroso mandritra ity fivoriana tsy ara-potoana ity. Ankoatra ny fampahafantarana ataon’ny Governemanta ny Programa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana, ny fandinihana sy fandaniana volavolan-drijantenin-dalàna mitondra fanovana ny lalàna laharana 2014-020 mikasika ny fandaminana ny vondrom-bahoaka itsinjaram-pahefana, dia eo ihany koa ny fandinihana sy fandaniana ny volavolan-drijantenin-dalàna mitondra fanovana ny “Code Pénal” Malagasy mahakasika ny sazy omena izay manao habibiana amin’ny fanolanana zaza tsy ampy taona. Raha hiverenana, nilaza ny Filoha ankehitriny Andry Rajoelina ny 31 desambra 2023 fa nahatratra 672 ny tranga fanolanana ny taona 2023, ka nilazana fa hohamafisina ny sazy ho an’ny mpanolana, ka anisany ny asa an-terivozona mandra-pahafaty, ny fampidirana ilay antsoina hoe : « castration chimique » na « castration chirurgicale » izay fomba hoenti-mamono ny taovam-pananahan’ireo mpanolana. Ny mahagaga anefa, arakaraka ny hizoran’ny Fanjakana amin’ny fanamafisana izay sazy izay no toa mampirongatra ny tranga fanolanana. Nandritra ity volana janoary ity, ranolava ny trangana fanolanana saika nanerana ny Nosy, raha ny tatitra nivoaka tamin’ny fampahalalam-baovao samihafa. Marina fa ny tranga aorian’ny fahalanian’ny lalàna no hiharany, saingy mahagaga ihany ity tranga mirarakopana mialohan’ny fanintsiana lalàna ity. Nanana fahasahiana nitoroka ve ny olona taorian’ny serasera samihafa nandeha ka tahaka ny hoe : nitombo ny tranga ka betsaka ny tratra? Toa tsy mitombina mantsy raha dinihina amin’ny lojika ny hoe : arakaraka ny fandrangarangana sazy henjana no mampirongatra ity zava-doza ity. Sa sanatrian’ny vava misy serasera be lalaovina mba hanamafisana sy hanamafisana fa tena mila hafainganina ny fandaniana ilay lalàna eo anatrehan’ny firongatr’ity zava-doza ity?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap