airtel

Actualités

16-nov-2022

Actualités

Arivonimamo Nohafahan’ny fitsarana ilay nambara fa mpanolana zaza

Sample post image

Nanohana ny fon’ny maro tokoa ny zava-tranga tany amin’iny distrikan’Arivonimamo iny omaly talata. Lehilahy iray voalaza fa nanolana zazavavy kely iray 13 taona mbola madio mantsy no nohafahan’ny fitsarana ao Miarinarivo

16-nov-2022

madiodio na dia efa nitondra porofo mazava aza ireo Ray aman-dReniny. Certificat médical avy any amin’ny dokotera mihitsy no nentin’ireto farany hoy ny vaovao izay nanamarina fa simba tanteraka ny fahadiovan’ity zaza tsy manan-tsiny ity. Ankoatra izay hoy ny vaovao dia mbola nandrahona indray ilay mpanolana fa mbola hasesiny hanamparany ny filan-dratsiny avokoa, hono, ny zandrin’ity zazavavy kely iray efa lasibatra ity. Manao antso avo amin’ny vadin’ny Filoham-pirenena, ireo fikambanana miaro ny zon’ny ankizy, …. araka izany ny Ray aman-dRenin’ity zazavavy kely lasibatra ity mba hijery akaiky izao zava-misy ao amin’ny fitsarana ao Miarinarivo ao izao. Mbola hiriaria sy hirehareha hatrany mantsy ireo tsy maty manota raha avela hanjaka tahaka izao ny mpanao ratsy.
Nangonin’i Pati
 

Dans la même rubrique

14-nov-2025

Tany amin’ny fakàna ny Airbus A 340

Card image cap
14-nov-2025

Tafakatra 3 ireo mpiasan’ny Jirama

Card image cap
14-nov-2025

Te hanohy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny

Card image cap
14-nov-2025

Mihazakazaka ny raharaha 11 miliara nindramin’ny

Card image cap