Ambohidahy ny fampahafantarana ny asa vita sy ny fahonanana ny voka-karotra nataon’ireo tanora 13 miandahy niofana sy nanatevina traikefa ho tonga mpanao gazety masaka ara-potokevitra sy ny mpanao gazety mpanatsikafona ho fampiroboroboana ny asa fanaovan-gazety. Naharitra 12 volana ny fiofanan’izy ireo teo ambany fitarihan’ireo Mpanao gazety zokiolona. Nambaran’Atoa Razaka Oliva, isan’ireo mpitsara nandritra ny fanadinana nataon’izy ireo fa nisy ny ezaka nataon’ireo tanora saingy mila fanatsarana ny fifehezana ny teny malagasy. Ho mpandimby ireo mpanao gazety zokiolona ireo tanora vita fiofanana ireo ; izy ireo no hampahafantatra ny tantara, ny kolontsaina, politika, sosialy, toe-karena eny ny iraisam-pirenena. Nitarika ny fitsarana ny vokatr’asan’izy ireo ny mpanao gazety isany Yves Samoelijaona, nampian-dRazaka Oliva, mpitsara ny tolotr’asa. Jen Laoshi Raharinivo izay sady Talen’ny fampianarana sy fampiofanana, Notronin’ny Filoham-boninahitry ny mpanao gazety zokiolona, Andriamorasata Solo Norbert. Ny mpanao gazety zokiolona Rabekijana Félix kosa no « encadeur » azy ireo.
Pati
Legende : Ireo mpanao gazety nivoaka sy ireo nampiofana azy !
dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny
Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,
Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,
Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA
Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,
Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny