airtel

Actualités

29-janv-2026

Asa fanaovan-gazety

Nodimandry i Annick Raherimanana

Sample post image

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

29-janv-2026

Nodimandry omaly ny namana Mpanao gazety Annick Raherimanana, izay ny Radio Antsiva anatin’ny Vondrona Prey no tena nahafantarana azy. Isan’ireo mpanao gazety sangany teto Madagasikara, indrindra fa teo amin’ny lafiny famakafakana. Ny fandaharana " FANDALINANA" tao amin’ny Antsiva no isan’ny tena nandrenesana ny feony matetika, niaraka tamin’ireo mpanao gazety mpanao famakafakana Michel Ralibera sy Ismael Razafinarivo. Isan’ny namoaka fampahantarana sy naneho fiaraha-miory amin’ny fianankaviany ny Fiadidian’ny Repoblika tamin’ny alalan’ny Fitaleavana ara-tserasera. Maneho fiaraha-miory sy firariana fiononana feno ho an’ny orinasan-gazety izay banga azy sy ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

09-oct-2026

Misy fanakorontanana

Card image cap
09-oct-2026

Hamondrona ny heriny

Card image cap
09-oct-2026

Misy zavatra tsara alamina ihany angamba…

Card image cap
09-oct-2026

Miantso ireo fikambanam-behivavy

Card image cap
09-oct-2026

Mpisehatra matihanina maherin’ny

Card image cap
09-oct-2026

Mpiadina miisa 2.582

Card image cap