airtel

Actualités

29-janv-2026

Asa fanaovan-gazety

Nodimandry i Annick Raherimanana

Sample post image

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

29-janv-2026

Nodimandry omaly ny namana Mpanao gazety Annick Raherimanana, izay ny Radio Antsiva anatin’ny Vondrona Prey no tena nahafantarana azy. Isan’ireo mpanao gazety sangany teto Madagasikara, indrindra fa teo amin’ny lafiny famakafakana. Ny fandaharana " FANDALINANA" tao amin’ny Antsiva no isan’ny tena nandrenesana ny feony matetika, niaraka tamin’ireo mpanao gazety mpanao famakafakana Michel Ralibera sy Ismael Razafinarivo. Isan’ny namoaka fampahantarana sy naneho fiaraha-miory amin’ny fianankaviany ny Fiadidian’ny Repoblika tamin’ny alalan’ny Fitaleavana ara-tserasera. Maneho fiaraha-miory sy firariana fiononana feno ho an’ny orinasan-gazety izay banga azy sy ny fianankaviany manontolo isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

22-sept-2026

fanadihadiana parlemantera ny ACM ‎

Card image cap
22-sept-2026

rehetra ao aminy ny FFKM

Card image cap
22-sept-2026

Iles Eparses, hitad mpiara-miombon’antoka

Card image cap
22-sept-2026

Handoavana 15000Ar isaky ny fiara tsy misy entana

Card image cap
22-sept-2026

7 lahy voasambotra sy nidoboka am-ponja

Card image cap