airtel

Actualités

05-févr-2024

ASA FANAOVAN-GAZETY

Nodimandry ny namana Lalaina Nalinjara

Sample post image

Misaona ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety.

05-févr-2024

Nodimandry teo amin’ny faha-50 taonany tafak’omaly Sabotsy 03 Febroary ny namana Lalaina Nalinjara, mpanao gazetin’ny Radio Don Bosco eto Antananarivo. Raha ny nampitain'ireo mpiara-miasa aminy, dia efa narary izy ary nanaraka fitsaboana teny amin'ny hopitaly, antony tsy nandrenesana ny feony nandritra ny andro maro, nilaza sy nampita vaovao. Raha tsiahivina kely dia anisan'ireo mpanao gazety tranainy tao amin'ny Radio Don Bosco i Lalaina Nalinjara. Niofana tao amin'ny Média Don Bosco izy ny taona 1999. Nanohy nianatra asa tao an-toerana ihany Ratompokovavy nialohan'ny nidirany ho mpanao gazety matihanina. Anisan’ny nampiavaka an’i Lalaina Nalinjara ny hatsaram-panahiny sy ny fahatsoram-pony. Eo ihany koa ny fahaizany mizara amin’ny hafa sy ny tsikitsikiny. Very olon-tsoa ny ankamaroan’ny mpanao gazety nilaozany. Namela vady sy kamboty telo mianadahy izy. Amin’ny Alarobia 07 Janoary ho avy izao moa no alevina eny Ambodifasika Itaosy Atsimondrano ny razana, izay hialohavan’ny fotoam-pivavahana entina hanomezam-boninahitra an’Andriamanitra ny nofo mangatsiakany farany ao amin’ny FJKM Ambohipo. Eny Ambohijanaka ny nofo mangatsiakany no handrasana hatramin’io andro Alarobia io. Izahay mpanao gazety eto amin’ny gazety Tia Tanindrazana, Top Radio ary ny Jejoo dia mirary fiononana feno ho an’ny fianakaviany.
Pati
Legende: Ny namana mpanao gazety Lalaina Nalinjara fony fahavelony !

 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap