airtel

Actualités

05-janv-2023

Actualités

Asam-panjakana ambony Nametra-pialana ny governoran’ny Banky Foibe

Sample post image

Ofisialy omaly ny fametram-pialan’ny Governoran'ny Banky Foiben'i Madagasikara Atoa Rabarijohn Henri, ary nekena sy nohamafisina tamin’ny filankevitry ny minisitra omaly 04 janoary 2023 ihany.

05-janv-2023

Nambara fa noho ny antony ara-pahasalamana no nahatonga azy ts afaka hanohy intsony ny andraikiny. Ny 6 novambra 2019 no voatendry teo amin’ny toerany ity governora ity, ary tokony ho 6 novambra 2024 no tokony ho tapitra ny fe-potoana iasany. Sambany tao anatin’ny 50 taona nisian’ny Banky Foiben’I Madagasikara no nisy fametram-pialan’ny governora. Andriamatoa Andrianarivelo Aivo Handritiana no voatendry hisolo toerana azy. Ity farany dia efa nisahana ny andraikitra maha Tale mpanatanteraka aty Afrika teo anivon'ny tahirimbola iraisam-pirenena na ny FMI. Efa tany amin’ny 16 desambra 2022 moa no nisy siosion-dresaka fa nametra-pialana ny governoran’ny Banky Foibe, saingy izao vao ofisialy. Marina fa hoe fialana noho ny antony ara-pahasalamana, saingy na izany aza mifanandrify amin’ny toe-draharaha mafampana toy ny olana ara-bola eo amin’ny Fanjakana ny zava-misy, ka misy ireo maneho hevitra, fa misy ifandraisany amin’izany ny fametram-pialan’ity tompon’andraikitra voalohan’ny Banky Foiben’I Madagasikara, izay tena toerana stratejika be ity. Tsara ihany koa ny manamarika fa nesorina nandritra ny filankevitry ny minisitra ny 07 desambra 2022 ny Tale Jeneralin’ny Fitantanam-bola sy ny Raharaha ankapobeny na ny DG FAG. Ny depiote iray voafidy tao Toamasina voalohany, ohatra, dia nilaza tao amin’ny tambajotran-tserasera fa efa tao anatin’ny andro maro no nandeha ny siosion-dresaka ary voalaza fa nametra-pialana saingy nolavina araka ny notaterin’ny fampahalalam-baovao samihafa. “Antony nahatonga azy hametra-pialana dia ny fikasana hanao “opération” na fikitihana vola izay tsy mifanaraka amin’ny etika ananan’ity tompon’andraikitra ity, raha ny fanehoan-kevitra. “Mety tsy mifanaraka amin’ny eritreriny intsony no zavatra angatahiny aminy ao amin’ny Banky Foibe. Ny olona manana etika dia tsy matahotra ny hiala rehefa tsy mifanaraka amin’ny fomba fisainany”, hoy ihany koa Atoa Serge Zafimahova tao amin’ny fahitalavitra iray. Ampanaovina zavatra tsy mifanaraka amin’ny lalàmpanorenana sy ny lalàna ara-toekarena, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra. Efa nisy moa ny siosion-dresaka nilaza fa nisy fikasana haka sy hamindra 322 tapitrisa DTS tao amin’ny Banky Foibe. Ny olana ara-karaman’ny mpiasam-panjakana nangotraka indrindra fa ny desambra teo.

MITOTONGANA NY SANDAM-BOLA
Henjana ihany koa etsy andaniny ny fifehezana ny toekarena sy ny sandam-bola, tafiakatra 4700Ar mahery ny sandan’ny 1euro amin’izao, ary nahatratra 8,3% ny fitotongan’ny Ariary mitaha amin’ny dolara nanomboka ny faran’ny oktobra 2022. Tombanana hampiakatra ny sondro-bidim-piainana hatrany io fitotonganan’ny Ariary io. Mikasika ny Banky Foibe hatrany, fanontaniana mipetraka ihany koa ankehitriny ny hoe: aiza ho aiza ny tohin’ilay volamena 1,03 taonina nambara fa nalefa nodiovina any Suisse tamin’ny volana jona 2022 mba ho lasa “or monétaire”?

Légende : Atoa isany Rabarijohn Henri , governora nametra-pialana sy Andrianarivelo Aivo Handritiana, governora vaovaon’ny Bank foiben’i Madagasikara

Toky R

 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Ankoatra ny tany Toamasina izay nolazaina fa misy olana ny fampifandraisana ny

Card image cap
28-mars-2024

Efa namono olona 6 (1Mananara Avaratra, 1 Vavatenina, 1 Toamasina II, 3 Maroantsetra)

Card image cap
28-mars-2024

Tovolahy iray mpianatra ho zandary ao amin’ny Sekolin'ny Zandarimariam-pirenena na ny EGNA Ambositra

Card image cap
28-mars-2024

Miharatsy hatrany ny fitrangan’ireo karazana fanolanana misy eto amintsika ankehitriny.

Card image cap
28-mars-2024

Ao anatin'ireo hetsika hatao manerana ny Nosy hanamarihana ny hetsi-pahatsiarovana ny 29 Marsa 1947,

Card image cap
27-mars-2024

Olana mandavan-taona! Mikorontana indray ny famokarana herinaratra

Card image cap