airtel

Actualités

16-nov-2022

Actualités

Assanati Famo Gidraka Manameloka ny fifofoana ain’olona sy ny fanaovana herisetra

Sample post image

Raharaha anisan’ny mbola mitana ny sain’ny maro eto amintsika ilay tranga niseho ny faran’ny herinandro teo nihatra tamin’ny Ben’ny tanànan’Antananarivo renivohitra Naina Andriantsitohaina.

16-nov-2022

Nambaran-dRtoa Assanati Famo Gidraka fa tena mifanohitra tanteraka amin’ny soa toavina maha-Malagasy ireny tranga ireny. Tsy azo ekena hoy izy ny herisetra, na inona na inona tsy fitovian-kevitra misy. Manameloka tanteraka ny fifofoana aina sy ny fampiasàna herisetra ny tenako, na iza na iza no hiharan'izany. Tsy hananam-piry mantsy ny aina fa tokana hoy hatrany ity filoham-boninahitry ny fikambanana Assanati Famo Gidraka ity. Mankahery ny Ben'ny Tananan'Antananarivo araka izany ny tenany no sady miarahaba azy tsy maty fo aman'aina. Ankoatra izay dia tsy manadino ny mpiray tanindrazana Rtoa Assanati amin’ny fanatanterahana ireo hetsika ara-tsosialy maro samihafa, indrindra amin’izao ankatoky ny fankalazana ny fetin’ny Krismasy sy ny faran’ny taona izao. Toerana maro no fantatra fa hanaovany izany toy ny eto Antananarivo, Mahajanga, Fianarantsoa, Ambatondrazaka ary Antsirabe. Na izany aza dia mitohy ny asa soa sy ny asa sosialy tosika PPN ho an’ireo mpanao gazety, mpanankato, indrindra fa ireo mpankafy sy ny Mpiwerawera. Ny mba hahafahana manamaivana ny fahasahiranan’ny isan-tokantrano no tanjona amin’izany. Teny filamatry ny fikambanana hatrany moa ny hoe : Antsika Jiaby Toujours Assanati Famo Gidraka ary Werawera tsy maintsy mandeha.
Pati
Legende : Tsy azo ekena ny fanaovana herisetra hoy, Rtoa Assanati Famo Gidraka
 

Dans la même rubrique

02-juin-2025

Teo anatrehan’ny fiakaran’ny vidin’ny entona fandrehitra (gaz butane),

Card image cap
02-juin-2025

DELESTAZY ANY AMIN'NY RN1 Ahiana hitroatra ny vahoaka, ora 8 isan'andro raha kely

Card image cap
30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap