airtel

Actualités

05-févr-2024

ASSOCIATION CLAIR DE LUNE

Namboly hazo teny Ampangabe

Sample post image

Ankoatra ny asa soa tanterahiny dia tsy manadino ny mandray anjara amin’ny

05-févr-2024

fiarovana sy ny fikojakojana ny tontolo iainana eto amintsika ny Association Claire de lune. Namboly hazo 600 fototra teny Ampangabe izy ireo ny Sabotsy 03 Febroary lasa teo, nahitana ny fandraisana anjaran’ireo mpikambana miisa 50. Raha araka ny fantatra dia tonga nanatevin-daharana tamin’ity hetsika ity ihany koa ireo miasa an-tsitrapo manolo tena hanampy ny mpiara-belona ao anatin’ny fikambanana. Raha tsiahivina kely dia tsy vao sambany no nanao hetsika tahaka izao ny fikambanana. Efa nahatratra 2000 fototra mantsy hatreto ny hazo nambolen’izy ireo nanomboka tamin’ny taona 2017 mba ho fitsinjovana ny ho avin’ny taranaka. Tafiditra ao anatin’ny asa tanterahin’ny fikambanana noho izany ny fanaraha-maso ireo zana-kazo nambolena…Narahin’ny mpikambana fiaraha-misakafo izany nahafahana nandinika ireo asa vita tamin’ny taona 2023 sy ireo mbola hotontosaina amin’ity taona 2024 ity. Tanjon’ny fikambanana moa ny hamerina an’i Madagasikara ho maitso volo hahafahana miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro izay tena mahazo vahana tokoa eto amintsika.
Pati
Legende : Nandritra ny fambolen-kazo notanterahin’ny mpikambana tamin’ny Sabotsy teo !
 

Dans la même rubrique

17-mai-2024

Nitombo 12% tamin’ny volana aprily teo raha oharina ny tamin'ny volana aprily 2023 ny mpizahatany

Card image cap
17-mai-2024

Taorian’ny Minisitry ny filaminana anatiny herinandro latsaka izay nidina teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato,

Card image cap
17-mai-2024

Vehivavy iray tombanana ho 30 taona eo ho eo no hita faty tao Fitroafana Talatamaty,

Card image cap
17-mai-2024

Nisokatra tamin’ny fomba ofisialy omaly 16 mey tetikasa telo vaovao eo amin'ny sehatry ny tontolo iainana,

Card image cap
16-mai-2024

mpitondra mahalala ny filàm-bahoaka sy tena laharampahamehana, vahoaka tsy sakana fa hery,

Card image cap
16-mai-2024

Raikely iray indray no voamarina fa nanolana ny zana-badiny vao 13 taona,

Card image cap