airtel

Actualités

18-juil-2023

Actualités

Avarabohitra Itaosy Misy fanotoran-tany goavana

Sample post image

Raikitra indray ny fanotoran-tany eny amin’iny faritra Avarabohitra Itaosy, kaominina Itaosy iny.

18-juil-2023

Nanomboka tamin’ny faran’ny herinandro teo no nahitana izany izay hampiasana ireny bulldozer lehibe ireny maromaro mihitsy miaraka amin’ny fiara vaventy maromaro. Tsy kely ilay tany totofana raha ny fahitana azy fa amina ha maromaro mihitsy. Nambaran’ny teknisiana iray ary fa ny fanotofan-tany eto Antananarivo sy ny manodidina dia mbola voarara ary misy ny lalàna mifandraika amin’izany tokony hampiharina, na iza na iza tompon’antoka . Ny mba hiarovana ny tondra-drano mandritra ny fotoam-pahavaratra mantsy no tanjona izay marihina fa efa mampijaly sy mampahory olona an-jatony eny amin’iny faritra Itaosy iny. Lohalaharana amin’izany mihitsy ny eny Avarabohitra izay efa tonga hatrany amin’ny an-tsasaky ny trano ny rano rehefa fotoam-pahavaratra sady maloto avokoa. Antso avo araka izany no hatao amin’ny tompon’andraikitra mikasika ity fanotofan-tany eny Avarabohitra Itaosy ity. Tsy misy mahavita manototra tany be ohatra an’io moa amin’ny ankapobeny raha tsy mpanam-bola be sy mahalala olona.
Pati
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

dia anisany ny angovo sy herinaratra, saingy mbola mitoetra ho tsizarizary ny fisitrahan’ny

Card image cap
30-mai-2025

Tsy misy tsy mikolay amin’ny faharatsian’ny tolotra mikasika ny angovo sy herinaratra eto Madagasikara,

Card image cap
30-mai-2025

Nisy ny firehetana tamina fivarotan-kazo iray teny Tsarahonenana ny 27 may teo,

Card image cap
30-mai-2025

Tena mampitaraina mpanjifa maro ny fotoana lany amin'ny fandoavana ny vidin-jiron'ny JIRAMA

Card image cap
30-mai-2025

Rongony 42 kitapo no tratran'ny Polisim-pirenena tao Ihosy,

Card image cap
30-mai-2025

Ny 28 may vao notontosaina tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina ny fankalazàna ny

Card image cap