dia mba saika hampatsiahy fotsiny aho fa raha mbola misy ny toerana tena mbola voahaja ny tontolo iainana, ny ala sy ny harena voajanahary eto Gasikara dia manodidina ireny doany sy tany fady ireny. Azonao jerena manerana ny nosy izany, hoy izy, na any avaratra ianao na any andrefana, na atsimo, na atsinanana. Azonao hamarinina. Mahery vaika noho ny lalàna, ny GELOSE, ny PNAE, ny haitondra ara-tontolo iainana volavolain’ny fanjakana, ny « aires protégées » sy ny « parcs nationaux » sy ny maro hafa ny hasina sy fanajana omen’ny malagasy ny masina sy ny fady, hoy hatrany ny tenany. Ankoatry ny maha minisitry ny tontolo iainana sy fampandrosoana lovainjafy teo aloha azy moa dia manana marim-pahaizana ambony momba ny toekarena anaty tontolo iainana sy loharanon-karena voajanahary koa ity tomponandraikitra eo anivon’ny fiadidiana ny repoblika ity.
J. Mirija
Tafiditra ao anatin’ny Travel Green List 2025 navoakan’ny Wanderlust Travel Magazine i Madagasikara.
Homarihina amin’ny 26 Jona ho avy izao ny faha-65 taona nahazoantsika ny Fahaleovantena.
Fivarotan-kazo iray no niantombohan’ny afo, niitatra tamin’ny trano lehibe roa sy trano hafa.
Nampalahelo sady nampivarahontsana ny zava-nitranga tao Toamasina omaly.
Nangotraka ny fahatezeram-bahoaka teto Antananarivo ny herinandro lasa teo,
Tsy misy izay tsy mitaraina sy mimenomenona ny amin’ny fanapahan-kevitry ny