ny alin'ny 22 marsa teo dia nisy ny fidinana ho fanarahamaso ireny toeram-pandihizana sy fisotroana ireny tao Taolagnaro. Toeram-pandihizana miisa 03 sy toeram-pisotroana miisa 08 no nanaovana fisavana ka zaza tsy ampy taona 12 no hita teny amin'ireny toerana ireny. Noentina namonjy ny Kaomisaria izy ireo, nampanantsoina ny Raimandreny ary nampahafantarina azy ireo ny adidiny araka ny voalazan'ny lalana manankery. Manana adidy sy zo hanara-maso ny zanany tsy ampy taona ny Ray amandreny, ary afaka miantso ny mpitandro filaminana izy raha toa ka misy olona mitarika na manodikodina ny zanany handeha amin'ny toerana tahaka ireny. Nampatsiahy hatrany fa voararan'ny lalàna ny fandraisana zaza tsy ampy taona eny amin'ny toerana toy ireny ny polisim-pirenena.
Toky R
Mihamafy ny krizy ara-tsosialy amin’ny endriny maro : delestazy, fidangan’ny vidim-piainana,
Nolanian'ireo Solombavambahoaka tetsy amin'ny Antenimierampirenena Tsimbazaza omaly
Misy olom-panjakana mitsivalana, manaitra ny PRM sy PM » Henjana ny fifanolanana
An-taonany maro ny olan’ny rano etsy Andravoahangy, saingy tsy tena mbola mitoetra hatramin’izao.
Vehivavy iray 56 taona no sady tsara tarehy fantatra amin’ny anarana hoe :
Sahirana sy mikorapaka amin’ny tetikasa Base Toliara ny Fanjakana Rajoelina,