Iray volana lasa, nisy ny antso iombonan’i Madagasikara ho an’ny fanavaozana ny AGOA (African Growth and Opportunity Act) sy ny fiaraha-miasa amin’ny harena an-kibon’ny tany stratejika amin’ny Amerikanina. Tany Etazonia ireo delegasiona ambony avy amin’ny sehatra tsy miankina sy ny sehatra ara-panjakana avy eto Madagasikara, nihaona tamin’ny mpanao lalàna amerikana hikatsahana fanohanana amin’ny fanavaozana ny AGOA sy hanamafisana ny fiaraha-miasa amin’ny resaka harena an-kibon’ny tany stratejika. Tany an-toerana ny Minisitry ny Indostria sy ny Varotra Ralambofiringa David sy ny Minisitry ny Harena an-kibon’ny tany Rakotomalala Olivier Herindrainy. Niara-dia tamin’izy ireo ny solontenan’ireo Vondron’orinasa nahitana ny GEM, GEFP, MAZAVA, ary ny orinasa amerikanina Energy Fuels. Tafiditra amin’ny fifanarahan’i Etazonia sy Madagasikara izany ny resaka Base Toliara saingy ny azy toa kapa ranjo ara-toekerana no nasetriny ho antsika tamin’ilay fampiakarana ny haban-tseranana ho 47% kanefa ny tsindry hampandehanana ny fitrandrahana ny harena any Toliara mangotraka. Soa fa miato anatin’ny 90 andro indray ny fampiharana ny didy navoakan’i Donald Trump, saingy mbola tsy afaka ambany ambana anatin’ny tsindry ara-barotra sy ara-toekerana isika. Tsy azo hamaivanina rahateo ny AGOA, na mbola maivana aza ny tsena sitrahantsika mitaha amin’ny Firenen-kafa. Ny 2023 fotsiny ohatra, dia nahatratra 9,7 miliara dolara ny tsena nositrahan’ny Faritra Afrika, ka i Nigéria no nahatratra 3,8 miliara dolara, Afrika Atsimo 3,6 miliara dolara, raha 339 tapitrisa dolara kosa ny an’i Madagasikara. Nihena ho 8 miliara dolara izany hoe nisy fidinany 13% ny tsenan’ny AGOA ny 2024, saingy niakatra kosa ny fanondranana nataon’i Madagasikara nakany Etazonia, ary mitana ny laharana faha-4 taty Afrika isika izay 345 tapitrisa dolara teo, aorian’i Kenya 567 tapitrisa dolara. Miditra lalina ao anatin’ny fifanarahana sy fanapahan-kevitra ara-toekerana eo amin’i Madagasikara sy Etazonia izany ny Energy Fuels izay nividy ny tetikasa Base Toliara izay mbola misy korontana sy rotaka hatramin’izao. Tsy mbola afaka ny ambana mikasika hetra midangan’ny Amerikanina izay isika no faharoa ambony indrindra, kanefa ny amboletra amin’ny fitrandrahana ny harenantsika mandeha ihany. Stratejika be ny fitrandrahana satria ny « Zircon » trantrahana ao amin’ny Base Toliara dia akora ilaina amin’ny nokleary, toy ny baomba atomika sy ny « aérospatial » na ny fitaovana afaka mahazaka ny hafanana be any ambony tsy taka-maso. Tahaka izany ihany koa ny « rutile » izay ilaina amin’ny famokarana titanium ampiasaina amin’ny fanamboarana fiaramanidina, fitaovana samihafa amin’ny indostria,… 5 miliara anatin’ny 38 taona dolara no hampidirin’ny tetikasa izay malaza am-panononana fa moa tena mifandanja amin’ny sandan’ny akora alaina ? Satria firenena mahantra isika dia mandeha ny tsindry goavana ara-jeopolitika ka ny mpitondra mety jamban’ny vola sy mety efa naka « avance » ihany no hampiasaina ?
Toky R
Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona
Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana
Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira
Hilatsaka hatramin'ny 3°C ny marimpana ambany indrindra ao Antsirabe
Fotoana izao anovana ny rafitry ny angovo eto Madagasikara, hoy ny mpandinika fiainam-pirenena,
Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.