airtel

Actualités

11-juin-2025

Fandrobana ny harenan'ny Gasy

Sambo Srilankais nahatrarana atsantsa 16 taonina

Sample post image

Mitohy ny fandromban'ny mpijirika ny harem-pirenena Malagasy.

11-juin-2025

Sambo mpanjono an-tsokosoko Srilankais iray no sarona nandritra ny hetsika regionaly faha-65 nataon’ny sambo mpanara-maso ny jono Atsantsa, nanomboka ny 28 Mey ka hatramin’ny 08 Jona 2025 natao teo amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara sy Kaomoro ity. Nandritra izany no nahatrarana io sambo mpanjono an-tsokosoko srilankais mitondra ny anarana Ruth Baba 6 io, tao avaratr’i Cap St André (Tanjona Vilamatsa), Faritra Besalampy. Nahitana tantsambo 08 srilankais, izay voarohirohy amin’ny jono tsy ara-dalàna. Nahitana atsantsa milanja 16 taonina mahery (atsantsa lena 12 taonina mahery, atsantsa maina, ary vombony na aileron). Voarohirohy amin’ny fanitsakitsahana lalàna maro ireto tantsambo ireto, anisan’izany: tsy fananan’izy ireo fahazoan-dalana manjono amin’ny fari-dranomasin’i Madagasikara; ny fihazan’izy ireo biby voaaro, dia ny "Atsantsa"; ny tsy fahafahan’ny sambo manjono "au large",... Nogiazana avy hatrany ny sambo sy ireo tantsambo, ary nentina namonjy an’i Mahajanga.
TSY MAHAVITA MIARO SY MANARA-MASO SAMIRERY...
Tafiditra ao anatin’ny tolona amin’ny jono tsy ara-dalàna nataon’ny CSP (Centre de Surveillance de Pêche) na ivon-toerana mpanara-maso ny jono eto Madagasikara izao hetsika izao. Ny COI (Commission de l'Océan Indien), tamin’ny alalan’ny PRSP (Plan Régional de Surveillance des Pêches) sy ny Ecofish, vatsian’ny Vondrona Eoropeanina (UE) no nahafahana nanatanteraka izao iraka izao. Raha tsiahivina, dia efa nisy sambo srilankais miisa roa tratra tamin’ny iraka faha-62 ny taona 2024, ary sambo keniana. Natrehin’ireo manam-pahefana ao Mahajanga, anisan’izany ny Governora, solotenan’ny Kaominina Ambonivohitra Mahajanga, sivily sy miaramila, ny fahatongavan’ny sambo mpanara-maso Atsantsa. Nisy fanolorana taratasy fankasitrahana ho an’ireo ekipa rehetra nanatanteraka ny iraka ho fankasitrahana ny ezaka nataony. Ny fanaraha-maso toy izao dia ilaina amin’ny fiarovana ny harena anaty rano sy ny fanajana ny lalàna amin’ny sehatry ny jono. Zava-dehibe ny vokatra tahaka izao saingy mety ampahany ihany amin'ireo mpangalatra ny harentsika itony ny sarona itony. Mbola miankin-doha amin'ny vahiny isika amin'ny fiarovana sy fanaraha-maso, ary misy amin'ireo manampy aza mbola isan'ny mpifampiraharaha ara-jono amintsika amin'ny varoboba sy mety manao be fandraoka ny harena an-dranomasina,... Ho toy izao ve ny Firenena raha tsara aro sy tsara tantana ny harem-pirenena eto?
Toky R
 

Dans la même rubrique

13-juin-2025

Nanokatra ny fampiratiana ara-pizahatany ITM (Iternational Tourism Fair) andiany faha-11 ny filoha ankehitriny Andry Rajoelina omaly.

Card image cap
13-juin-2025

Anisan’ny navoitran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly teny amin’ny Antenimierampirenena ny hoe :

Card image cap
13-juin-2025

Renim-pianakaviana iray monina eny Fenoarivo Atsimondrano eny no fantatra

Card image cap
12-juin-2025

Na ny ao amin’ny JIRAMA aza izao izany dia milaza fa hatramin’ny faran’ny taona

Card image cap
12-juin-2025

Manamafy avo roa heny ny fahamailoana ny SAMIFIN izay sampan-draharaha misahana

Card image cap
12-juin-2025

Lany teny anivon'ny Antenimieram-pirenena ny tolo-dalàna miaro manokana ireo varira

Card image cap